Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jolay, 2018
Singapaoro: Fivoriana voalohany ho an'ireo pelaka
Nikarakara ny hetsika voalohany ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT ny PinkDot tao Singapaoro, saika faly tamin'izany avokoa ireo nandray anjara ary miandry fatratra ny andiany manaraka.
Etazonia, Singaporo: Vady amidy amin'ny imailaka, azo vidiana amin'ny karatra fandoavam-bola Diners Club
Vidiana amin'ny imailaka sy ny karatra fandoavam-bola toy ny entana rehetra ny vady ao Singapaoro. Nandefa fanangonantsonia izay nahita fahombiazana tamn'izany i Amanda Kloer.
Fahasalamana/Maneran-tany: Nofoanan'Atoa. Obama ny politikan'ny ”Global Gag Rule”
Nofoanan' ny Filohan'i Etazonia ireo fepetra politika fantatra amin'ny ankapobeny tamin(ny anarana hoe “Global Gag Rule”(amin'ny teny anglisy).
Michel Gonzalez Nuñez: “Heveriko fa manafintohina ny mankatoa lalàna momba ny ‘fahapelahana’ ao anatin'ny revolisiona be risikain-dehilahy”
"Raha ampahany ihany ny zo sy fahafahana mametraka ny fiarahamonina ho "revolisionera", dia mila olona aho manazava amiko ny dikan'ny hoe "revolisionera". Misy fifanoheran-kevitra izany ho ahy."
Ny hetsiky ny vehivavy Iraniana tsy nisy fanavakavahana ny lahy sy ny vavy na sokajin-taona
Noho i Kosoof, bilaogeran-tsary malaza, dia afaka mahita an-tsary ireo fotoana lehibe tamin'ity fihetsiketsehana ity isika tao anatin'ny roa taona farany. Ireto misy sary miisa dimy nofantenana mba hanehoana fa tsy nisy ny resaka fanavakavahana ny lahy sy ny vavy na sokajin-taona tamin'ny tolona.
Serbia: Navadik'ireo mpandroba ny diabem-pireharehan'ny pelaka
Namoaka ampahibemaso ny singa ratsy indrindra sy ny tsara indrindra teo amin'ny fiarahamonina Serba ny diabem-pireharehana natao tamin'ny 10 Oktobra 2010, tao Belgrady. Tsy maintsy nanakana ireo mpirotaka miisa 6.000, izay namotika zavatra mitentina 1 tapitrisa EUR tao afovoan-tanàna tamin'ny fomba voarindra ny polisy.
Vehivavy Afrikanina mibilaogy amin'ity herinandro ity
Tahaka ny mahazatra, nibilaogy momba ireo lohahevitra isan-karazana ny vehivavy Afrikanina tamin'ny herinandro lasa.
Inona no lazain'ny bilaogera momba ny ambanivohitr'India?
Rehefa namaky bilaogy samihafa aho dia matetika izany no milaza fa mampiseho ny fisainan'ny olona saranga antonony ny famahanana bilaogy ao India. Dia tena nieritreritra tokoa aho noho izany raha marina ny lazain'ny bilaogy Indiana mikasika ireo lohahevitra tsy momba ny sarangan'olona antonony na momba ny tanandehibe sy ambanivohitr'i India.
Manampahefana Iraniana misambotra ‘olo-malaza amin'ny Instagram’, mba hanamafisana ny fifehezana ny media sosialy

Raha nosamborina tamin'ny May 2018 ireo Iraniana mpisera Instagram malaza Maedeh Hojabri, Elnar Ghasemi, Shadab Shakib ary Kami Yousefi, nanambara dingana vaovao amin'ny ezaky ny fanjakana hifehy ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Instagram izany.
Lasibatra manokan'ny sivana ny vehivavy ao Iran
Miatrika olana maro ao Iran, tahaka ny hafa, ny bilaogera. Tranonkala Iraniana maro amin'ny ankapobeny, ary ny politika no tena voasivana. Tao anatin'ny roa taona farany, nanjary niha-ratsy ny fanivanana sy ny sivana. Indrindra fa marobe ireo bilaogim-behivavy voasivana.