Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Marsa, 2021
Atolotry ny Diabe Aurat 2021 ny manifesto fikarakarana ara-pahasalamana feminista ao Pakistan
Nitaky ny hampiakaran'ny governemanta ny tetibola ara-pahasalamana ho 5 isan-jaton'ny harinkarena faobe mba hisitrahan'ny vehivavy fikarakarana ara-pitsaboana tsara kokoa ny mpanao diabe rehefa nilaza izy ireo fa nahatonga ny "Valan'aretin'ny Fanjakazakan-dehilahy" ny COVID-19.
Nandritra ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy, nisafidy hiatrika ny herisetra atao noho ny maha-lahy na maha-vavy ireo teratany ao Trinidad & Tobago (#ChooseToChallenge)
Taorian'ireo vono olona roa ireo, nanandra-peo ry zareo Trinbagoniana ny amin'ny tokony hisian'ny dingana mazava atao hiarovana ny vehivavy.
Fanalan-jaza ao Arzantina: Mitohy ny tolona
Niteraka izay hita toy ny tolona manan-tantara manaraka - mba hiantohana ny fampiharana azy ny lalàna vaovao momba ny Fanalan-jaza any Arzantina.
Iza no afaka ho ray aman-dreny ao Frantsa?
Vehivavy maro tokantena sy ireo olona LGBTQI+ no voatery mandeha any ivelany mandra-piandry izay fanapahankevitra horaisin'ny fireneny hiarovana ny fahafahan-dry zareo miditra amin'ny fiterahana tohanana ara-medikaly (PMA).
HORONANTSARY: Hanenika an'i Amerika Latina ve ny “onja maitson'ny” zo hanala zaza any Arzantina ?
Tsy nahita mivantana ny dinidinika an-tserasera Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any Amerika Latina tamin'ny teny Espaniola ve ianao ? Indro ny famerenana.
MIVANTANA amin'ny 9 Martsa : Hiparitaka manerana an'i Amerika Latina ve ilay “Samonta Maitso” avy ao Arzantina momba ny zo hanàla zaza ?
Halefa mivantana amin'ny Facebook Live, YouTube, Twitch amin'ny fiteny espaniôla ilay fotoana
Repoblika Serba ao Bosnia : Manampahefana ampangaina ho manao sorona eo ambony alitaran'ny fizahantany ny fahatsiarovana ilay fandripahana
Ekena fa toerana nitrangana heloka bevava nahatsiravina ny hotely Vilina Vlas nandritra ny ady tao Bosnia tamin'ny 1990 tany ho any, fa dia mbola miasa foana izy