Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2015

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Marsa, 2015

31 Marsa 2015

Andron'ny Vehivavy Maneran-tany: Daty Iray, Zava-mitranga An-davitrisany

Na dia ireo vondrona mpiaro ny ara-tsosialy aza no voalohany nanely ilay fety maneran-tany, ary miompana bebe kokoa amin'ireo vehivavy miasa, samy manana ny endriny any amin'ny tany samihafa manerana ny tany ilay andro ankehitriny.

29 Marsa 2015

Ireo Zazakely Mahazo Zazakely: Tsy Misy Sekoly Ho An'ireo Vady Tanora Any Nepal

Ny taona lasa teo, latsaky ny 15 taona ireo mpanambady miisa 4.000 tao Nepal. Any amin'ny faritra sasany, ambany toerana ao atsimon'ny firenena, ny antsasany maherin'ireo fanambadiana no nahitàna ankizy vavy latsaky ny 12 taona.

27 Marsa 2015

Afaka Ho Avotra Amin'ny Fandrosoana Diso Tafahoatra Ve i Istanbul

Manorina, manorina, manorina. Miatrika fanamboarana tanteraka, manohintohina ireo tranobe sy ireo fiarahamonina izay anisan'ny mandrafitra azy, ilay tanàna lehibe indrindra any Tiorkia.

26 Marsa 2015

Vehivavy Afghana Novonoina ho Faty sy Nodorana fa Nandrehatra Afo ny Kôrany

"Mifanohitra tanteraka amin'ny lalàna, ny lalàna Sharia ny nitranga androany tao Kabul ary TSY misolo tena ny Miozolomana ao Afghanistan."

25 Marsa 2015

Tarika Goatemalteka Mampiasa ny Tantara An-tsehatra Ho Fiatrehana Ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy

Hoan'ireo vehivavy ireo, ny teatra dia midika fanasitranana ny ratra am-po amam-panahy sy hanentanana momba ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena izay vehivavy roa eo ho eo no mamoy ny ainy isan'andro.

19 Marsa 2015

Afaka Manaisotra Ny Marika Borat-n'i Kazakhstan Ve i Sabina Altynbekova?

Nampiasa ny lazany ho toy ny marik'i Kazakhstan ilay tanora mpilalao volley-ball Sabina Altynbekova. Hatraiza no hahavitany izany?

18 Marsa 2015

Tafandositra Tamin'ny Fampanambadiana Ankizy ao Malawi i Memory Banda, fa Tsy Afa-Bela kosa ny Rahavaviny Fony 11 Taona

Niezaka ny nandositra ilay rafitra mampiditra ny atsasaky ny zazavavy ao amin'ny firenena atsimon'i Afrika misy azy hanambady aloha, sy lasa reny alohan'ny fotoana, ity zazavavy 18 taona antsoina hoe Memory Banda ity.

17 Marsa 2015

Mampitodika any Amin'ny Zanakalahy ny Fandraràna ilay Horonantsary “Zanakavavin'i India”?

Tsy tonga lafatra ny horonantsary fanadihadiana momba ny tranga fanolanana tao Delhi tamin'ny taona 2012, saingy nanome tsiny ny governemanta ao India ny tsikera sasany noho ny fandraràna ilay horonantsary sy ny fangatahany tamin'ny Youtube mba hanakatona izany.

16 Marsa 2015

Tovovavy Dimy Mpiaro Ny Vehivavy Ao Shina, Mbola Tsy Hita

Mbola tsy nivoaka foana ireo Shinoa mpiaro vehivavy nosamborina ny hariva talohan'ny Andro Erantany Ho an'ny Vehivavy, niteraka fanentanana faobe tety anaty serasera ho famotsorana azy ireo.

12 Marsa 2015

Kisarisary Amin'ny Aterineto Maneho Ny Satan'ny Vehivavy Ao Shina Ankehitriny

"Nolavin'ny patirao ny hevitray ary novaina ny sary. Avy eo novaina ny fanazavan-tsary hoe "Mila fiahiana manokana ianao."Nahita ny Google aho androany, ary mahatsiaro malahelo."