Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jona, 2018
Japana: Vehivavy maro adala amin'ny sarivongan'i Boddha
Antsoina hoe ‘Buddha girls' (仏女butsujo ) (mpankafy Boddha) izy ireo, vehivavy tanora Japoney eo anelanelan'ny telopolo sy efapolo taona, liana amin'ny fitsidihana ny tempoly sy mankafy ny sarivongan'i Boddha sy Bodhisattva.
Voampanga noho ny fanohintohinana ny fiarovam-pirenena tamin'ny fisoloantena ny hetsi-panoherana manohitra ny hijab i Nasrin Sotoudeh, mpisolovava Iraniana
"Raha manontany ahy ianareo hoe inona no tena eritreritr'ireo manampahefana dia hamaly aho hoe tian'izy ireo hijanona ao an-tranony fotsiny i Nasrin ary ... ary mitsahatra tsy hiaro intsony ireo mpikatroka sivily sy politika..."
Ejypta: Mitaky Eid lavitry ny fanorisorenana ara-nofo ny bilaogera
Satria efa akaiky ny Eid Al Fitr (ny fiafaran'ny Ramadan), miomana indray amin'ny fanorisorenana ara-nofo bebe kokoa noho izay efa nanjary fenitra manelingelina ny ny vehivavy ao Ejipta.
Kibera: Mampahafantatra Bebe Kokoa An'ireo Vondrom-piarahamonina Voahilikilika

Nandritra ny Fihaonambe an'ny Global Voices tany Naïrobi tamin'ny taona 2012, vondrona iray tamin'ireo mpikambana mpikarakara no tonga tany amin'ny tanàna faran'izay tsizarizary ao Kibera. Anisan'izany i Leila Nachawati ary tafahaona tamin'ireo tomponandraikitra eo an-toerana sy ireo mpandray anjara amin'ny Map Kibera trust, izay miezaka ny manentana ny tontolo ivelany amin'ireo filàn'ny mponina ao Kibera, amin'ny fampiasana ny lahatsary sy ireo media sosialy. Inty ny tatitra mikasika ny fitsidihany.
Mampitambatra ny vehivavy hanohitra ny fihetsika fanambatiana vehivavy ataon'ny filohan'i Filipina Rodrigo Duterte ny fanentanana #BabaeAko
"Renim-pianakaviana, mpampianatra, Filipiana aho. Manameloka an'i Duterte aho noho izy mpankahala vehivavy sy milaza fa "azo ekena" ny fankahalana sy ny fanafihana vehivavy."
Pakistàna: Blaogy-o-Fahombiazana
Ao anatin'ny natiorako tena tia manao soa ny mpiarabelona, tapaka ny hevitro hizara aminareo tsiambaratelo iray mampivarahontsana, nafenin'ny mpibaiko ambony an'ny Cyber Templar nandritra ny taona maro
Kibera : Ireo Vehivavin'ny PowerWomen Manohitra Ny Fitsaràna Ivelany Ny SIDA

Nandritra ny fitsidihan'izy ireo tao Kibera, Nairobia, no nihaonan'ny vondrona kely iray nisy ireo mpikambana avy amin'ny Global Voices, tamina vondrom-behivavy mitondra ny tsimokaretina izay ny asan'izy ireo andavanandro dia nataony mba handresena lahatra hanoherana ny fitsaràna ivelany ny VIH/SIDA sy mba hanentanana mikasika ny fahasalamana ara-pananahana eny amin'ireo mponina tena mahantra. Fitantarana nataon'i Ahmed Awadalla sy Rayna St.
Ora sisa no isaina ao Arzantina mba handaniana ny lalàna fankatoavana ny fanalan-jaza
"Raha tsy lany ny lalàna, dia ireo depiote izay tsy nankatoa ny lalàna no tompon'andraikitra amin'izany fampijaliana izany sy izay mety ho fahatesana amin'izany..."