Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Septambra, 2013
Vehivavy Roa Naiditra Am-ponja Fa Nifanoroka Nandritra Ny Hetsika Ara-pivavahana Iray Tao Brezila
Tao anatin'ny fotoam-pivavahana notarihan'ilay pastora sady mpikambana ao amin'ny kaongresy Marco Feliciano, vehivavy roa nifanoroka tao anatin'ilay hetsika no nosamborina.
Minisitra Ogandey: Mangataka Haolana Ny Vehivavy Manao Fitafy Miboridandridana
Nampanantsoin'ny Antenimiera ny Minisitry ny Tanora ao Oganda mba hitondra fanazavana mikasika ny fanehoa-kevitra nataony.
Tolona Hanakanana Ny Fanambadian'ny Ankizy Ao Yemen
Fomba fanao mahazo vahana ao Yemen ny fanambadian'ny ankizy, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra. Niteraka adihevitra momba ity olana goavana ity ny tantara momba ny fahafatesan'ilay ankizivavy kely valo-taona efa manambady.
Tsikerain'ny Vondrona Indoneziana Ho Tsy Mifanaraka Amin'ny Mahasilamo Ny ‘Oliravina Izao Tontolo Izao’
Nafindra ho avy ao Jakarta ho any Bali ny toerana. Nampanantena ny mpikarakara fa hosoloina sarong [sarona?] Balinezy ny bikinis rehefa eny amin'ny tora-pasika fa mbola nitohy ihany ny fihetsiketseha-panoherana.
26 Oktobra: Andro Entina Mankahatra Ny Fandraràna Ny Vehivavy Tsy Hamily Fiara
Napetraky ny vondrona iray ahitàna ireo vehivavy Saodiana mpikatroka mafàna fo ny 26 Oktobra 2013 ho andro iray entina mankahatra ny fandraràn'ny fanjakàna ny vehivavy tsy hahazo mitondra fiara.
Mamaly ny Hafa-Panavakavahana Mahazo Ilay Oliravina Amerika 2014 Ny Karana
Indiana-Amerikanina Nina Davuluri mianajady barazy fenehon-kevitra mifono fanavakavahana eny amin'ny tambajotra sosialy tao aorinan'ny nandreseny the Miss America. Manotany tena moa ny Indianina raha mety haharesy koa izy any India
“Rehefa Tapitra Maty Ny Lehilahy Ao Tajikistan Vao Afaka Ny Ho FilohamPirenena Ny Vehivavy”
Be ny fanantenana hahitan-javatra mandritra ny fifidianana ho avy eo fa tsy voatery hahasorena. Sambany eo amin'ny tantaran'ny firenena no misy vehivavy iray mifaninana ho amin'io toerana politika avo dia avo io.
Fanandrinana an'i Rosia Ve Ny Tsangambato Ho an'ny Vehivavy Tsetsenina?
Niteraka sahotaka tao amin'ny tontolom-bolongana Rosiana i Ramzan Kadyrov tamin'ny fanokanany tsangambatom-pahatsiarovana andiam-behivavy Tsetsenina maty nandritra ny adin'i Kaokazy tamin'ny taonjato faha-19.
Sary Nanakorotana Tao Trinite
Polisy namono zatovolahy avy amin'ny faritra sahirana, ny media nanampy fanarabiana raha namoaka sary mampiseho olon-dehibe zoky olona nanao fihetsika tsy mahazatra.
Mampiverina Ny Resaka Mangarahara, Filaminana, Asa-gazety Ary Fananahana Ny Raharaha Chelsea Manning
Manao ahoana ny fiantraikan'ity afera Chelsea [Bradley taloha] ity amin'ireo mpamoaka tsiambaratelom-panjakana rahatrizay, mpanao gazety, sy ny fikambanana trans.