· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Oktobra, 2012

Ghanà: Fampahalalàna An'i Agnes Chigabatia – Mpanao Politika Vehivavy Ghaneana

  29 Oktobra 2012

Nisy ny ezaka lehibe nataon'ireo vehivavy teo amin'ny sehatry ny politika Ghaneana. Ghana Decides, tetikasa tsi-mitanila izay mikendry ny hanome vaovao araka ny tokony ho izy ho an'ireo mpifidy mikasika ny fifidianana malalaka, madio sy azo antoka amin'ny fifidianana 2012, tamin'ny alalan'ny fampiasana fifampitam-baovao sosialy no nijerena ny mombamomba ilay kandida parlemantera...

Rosia: “Tafintohina” tamin'ny Fanafahana Mpikambana ao amin'ny Pussy Riot

Akon  20 Oktobra 2012

Nahataitra ny maro ny nataon'ilay mpikambana iray tao amin'ny Pussy Riot iray antsoina hoe Yekaterina Samutsevich tamin'ny herinandro raha nanova ny mpisolovavany sy naka paikam-piarovana vaovao tany amin'ny fitsarana ambony (nanaovana fampakarana) izy. Tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny bilaogera Rosiana tamin'izany fotoana ny tamin'izay nitranga sy ny antony nahatonga...

Pakistan: Malala Yousufzai sy ny fanafihana amin'ny fiaramanidina baikoana

  18 Oktobra 2012

Hatramin'ny nanafihan'ny olona mitam-basy an'ilay mpitolona tanora Malala Yousufzai tany Swat, dia nampametra-panontaniana maro ny fahombiazan'ny fanafihana ataon'ny fiaramanidina baikoana any Pakistan. Taorian'ny fanafihana tamin'ny 9 oktobra 2012 (jereo ny fanadihadihana Global Voices) dia hatezerana no nivoaka eran'izao tontolo izao, ary anisan'ny tezitra koa aza ireo antoko politika sy antokom-pivavahana any...

Arabia Saodita: Miaka-peo ny Hetsika Vehivavy Hitondra Fiara Ary Miampanga ny Politikan'ny Governemanta

Saodiana mpiaro ny zon'ny vehivavy i Manal al-Sharaif, fantatra tsara amin'ny andraikitra iantsorohany amin'ny hetsika Women2Drive (VehivavyHanamory). Tamin'ny volana Mey 2011, nandrakitra lahatsary ahitana ny sariny izy, izay mihantsy sy manohitra ny fandràrana ny vehivavy tsy hanamory fiara. Taorian'ny famoahana ny lahatsary, nosamborin'ny polisy mpitsikilo izy ary notànana nandritra ny sivy...

Tontolo Arabo: Ny Anjara-ratsin'Ireo Vehivavy Mpitsoa-ponenana Syriana

Satria mbola mitohy ny Revolisiona Syriana, mitohy miantraika amin'ireo mpitsoa-ponenana ny herisetra tao amin'ny firenena hatrany ny voka-dratsin'izany [Revolisiona], ny vehivavy indrindra no tena mandoa avo roa heny ny voka-dratsin'ny ady noho izy ireo iharan'ny herisetra amin'izany ady mitam-piadiana izany. Amin'ny kolontsaina entina sy anjakazakan'ny lehilahy izay manararaotra tsy an-kiato ny...

Pakistana: Nanafika An'i Malala Yousufzai Ireo Mpivavaka mahery fihetsika

  15 Oktobra 2012

Naratra mafy ilay tovovavy 14 taona mpiaro ny zon'ny vehivavy handeha hianatra, Malala Yousufzai. Nifanehatra tamin'ny Talibana i Malala, ka nifatratra tany aminy ny bala tamin’ izy handeha hody avy nianatra. Nitsofoka tany anatin'ny tendany ny bala ka atahorana mafy ny ainy noho izany. Nanambara ny fampahalalam-baovao fa efa tafala soa aman-tsara tao anatin'ny...

Kenya: Afaka Mividy Antsika Ny Vola Hoy Ny ‘Campus Divas for Rich Men’

  09 Oktobra 2012

Ny "Campus Divas For Rich Men" (Kalamanjan'i Campus ho an'ireo Lehilahy Manan-karena) dia pejy irao ao amin'ny Facebook natokana hanjonoana ireo tovovavy Kenyana mbola mpianatra ary latsaky ny 26 taona hiaraka amin'ireo lehilahy manan-karena, anatin'ny sokajin-taona rehetra. Ny adihevitra mikasika ilay pejy dia nampipongatra ny olana tahaka ny fanarahamaso ny tambajotra sosialy, VIH/AIDS, finoana sy fomban-drazana Afrikana, ny vintana ho an'ireo tanora Keniana, ny fahantrana, ny fitiavam-bola tafahoatra ary ny tsindrin'ireo mitovy amin'ny tena eo amin'ny samy Keniana mpianatry ny anjerimanontolo.