Noho Ny Firoboroboan'ny Fandidiana Orona, Hanjavona Ve Ny Orona Armeniana?

Ny sarivongan’ ilay mpamoron-kira tamin'ny andron'ny Sovietika-Arno Babajanyan, fantatra amin'ny orony Armeniana, ao ambadika kosa ny sainam-pirenena Ameniana. Sary: Iris Molenaar ho an'ny Eurasianet.et.
Ity manaraka ity dia lahatsoratra fiarahamiasa avy amin'ny EurasiaNet.org, nosoratan'i Iris Molenaar. Navoaka indray rehefa nahazoana alalana.
Ny orona Armeniana dia loharanom-pireharehan'ny firenena, indraindray lazaina toy ny tendrombohitra mahagaga ao amin'ny firenena: rehareha lehibe, sy manaja.
Saingy ny lazaina fa tsara amin'ny tontolon'ny sary hosodoko dia tsy voatery hihaona amin'ny fenitry ny hatsarana ankehitriny. Ary mihamitombo ny Armeniana – indrindra ny vehivavy tanora – misafidy ny fandidiana orona mba hifanaraka amin'ny fijery Tandrefana natao idealy.
“Amin'ny maha-firenena, miezaka ny ho Tandrefana izahay, ary mihatra amin'ny fenitry ny hatsaran-tarehy ihany koa izany,” hoy i Kristina Grigoryan, izay nanao fandidiana plastika tao Yerevan nandritra ny 16 taona. “Mbola mirehareha izahay amin'ny maha Armenianina, fa tsy dia mirehareha loatra manana endri-javatra tahaka izany.”
Tsy manana antontan'isa momba izany i Armenia, saingy milaza ny porofo ara-tantara fa lasa miha-malaza ny fomba (fandidiana orona): Manatontosa asa 500 mifandraika amin'ny orona ny toeram-pitsaboana Grigoryan isan-taona, manombka amin'ny 150 hatramin'ny 200 kosa dimy taona lasa izay, hoy izy, ary miha betsaka ireo toeram-pitsaboana manatontosa ny fandidiana.
Mety hoe fahiny ny orona Armeniana, saingy ny asa momba ny orona Armeniana dia fanavaozana vao haingana. Ao amin'ny Firaisana Sovietika, ny fandidiana ho amin'ny hatsaran-tarehy namboarina dia voafetra ihany ho amin'ny toe-javatra mila fanamboarana indray. Nampiroborobo ny fangatahana fandidiana plastika ho an'ny fanamboarana indray ny horohoron-tany goavana tao Armenia tamin'ny taona 1988, traikefa izay nohararaotin'ireo dokotera avy eo mba ho tafiditra amin'ny fandraharahana fandidiana tarehy. “Izay no niandohan'ny fandidiana plastika niroborobo tao Armenia,” hoy i Karen Danielyan, mpandidy ho amin'ny hatsaran-tarehy namboarina ao Yerevan. “Ary ny fandidiana orona ankehitriny no malaza indrindra sy be mpanao indrindra ao Armenia – fandidiana orona avokoa ny telo amin’ ireo fandidiana efatra.”
Iray amin'ireo lohalaharana amin'ny fandidiana orona ao Armenia i Danielyan: tamin'ny taona 2002, nanomboka ny fifaninanana “Orona Tena Armeniana Indrindra” izy, ka ny loka voalohany dia fandidiana orona maimaim-poana avy amin'ity dokotera ity ihany. Tamin'izany fotoana izany, hoy izy: dokambarotra natao hampandeha ny asa ny fifaninanana. Ankehitriny, tsy ilaina intsony ny manao fanentanana momba izany. Notombanany ho fandidiana orona tokony ho 1500 isan-taona no ataony, saingy miankina tanteraka amin'ny toetry ny toe-karena ny tarehimarika.
«Raha ratsy ny toe-draharaha ara-toekarena, vitsy ny fandidiana; Raha tsara ny toe-draharaha ara-toekarena, marobe ny fandidiana», hoy izy. Nisy fiantraikany ratsy ny fitontongan'ny toekarena vao haingana, hoy izy, “Tsy fotoana tsara ho an'i Armenia izao. Tsy tsara mihitsy ny toe-draharaha ara-toekarena, ka vitsy ny olona manao fandidiana.
Saingy tsy ireo olom-pirenena Armeniana ihany no manova orona ao Armenia. Nanamora ny firoboroboan'ny fizahan-tany ara-pitsaboana, indrindra indrindra avy amin'ny fangatahana fandidiana hanatsarana endrika sy bika ny fotodrafitrasa mandroso sy ny sarany mora (raha oharina amin'ny Tandrefana). Nanambara i Raffi Elliott, Tale Jeneraly sy mpiara-manorina ny orinasa fitetezam-paritra ho an'ny fitsaboana, gettreated.co, fa ny mpanjifany am-pielezana (diaspora) Armeniana dia tonga hanao fandidiana orona.
Ho an'ny firenena manana fahatsapana rehareha lehibe sy fiavaham-pirenena, ny lamaody manao “orona Armeniana” tsy dia Armeniana dia hita fa toa mifanohitra. Nilaza i Danielyan manana orona manetry tena fa tato ho ato, te-hanana orona mifanaraka amin'ny endrik'izy ireo kokoa ny olona, fa tsy maka tahaka fotsiny ny orona kely malaza, mivilana sy Slavika. Na izany aza, manohy mahazo fangatahana marobe mba hanao toy ny oron'i Angelina Jolie izy, ohatra amin'ny olo-malaza indrindra raha resaka fandidiana orona no resahana.
Noho ny fandidiana orona lasa miha-mora idirana, ekena, sy malaza kokoa, misy loza ateraky ny fanjavonan'ny “orona Armeniana” ve? Nihomehy i Danielyan ary nahatsiaro fanontaniana iray azony tamin'ny mpanjifany: “Rehefa vita ny oroko, handova ny oroko vaovao ve ny zanako?”
Tsy misy fiantraikany amin'ny fototarazo ny fandidiana orona, mazava ho azy, tsy hiova mihitsy ny toetoetry ny endrika, hoy izy nanazava.
Naneho ny fanajany ny endri-javatra mampiavaka i Elliott, mpandraharaha momba ny fizahan-tany ara-pitsaboana: “Tiako ny orona Armeniana. Manome toetra [iavahana]. “
Manohitra ity zavatra malaza ity kosa ny vehivavy Armeniana sasany: Nandiso ireo tsaho tamin'ny gazety mpanaitaitra iray ilay mpihira malaza, Silva Hakobyan, tsaho milaza fa mikasa hampihena ny orony somary Armeniana izy, nilaza izy fa mirehareha amin'ny endriny voajanahary.
Mbola maro ireo vehivavy miahiahy fa ny endrika tena Armeniana dia mety hanimba ny vinavinan'izy ireo hanambady, hoy i Danielyan nanamarika fa ny tena antony mahazatra lazain'ireo mpanjifany dia ny faniriany hitady sakaiza. “Raha manana orona lehibe ianao, dia tsy hahita vady, ary raha tsy manambady ianao, dia tsy tsara izany,” hoy izy..
Nilaza i Rouben Abrahamyan, mpandresy tamin'ny fifaninanana fampahafantarana “Orona Armeniana Indrindra” – sy lehilahy mpandray anjara tokana tamin'ny fifaninanana fa mbola mahatsiaro ratsy noho ny mpifaninana taminy izy. “Tsara tarehy loatra izy, saingy nanimba ny endriny ny orony ngezabe,” hoy i Abrahamyan, mpanao gazety sady mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo ao Yerevan. Nandray anjara tamin'ny fifaninanana izy satria nisy ratra ny orony izay niteraka olana ara-pisefoana, ary faly fa afaka izany. Na izany aza, hoy izy: “Tsapako tiako ho eo amin'ny toerako izy, amin'izay nanana orona tsara kokoa. Raha ny tamiko, fitsaboana fotsiny ny ahy, ary ho tsara endrika kokoa izy miaraka amin'ny orona kelikely. “
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...