Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jolay, 2022
Vehivavy iray tompondaka tamin'ny echec, niady tamin'ny fanavakavahana ara-taona, ny fanavakavahana lahy sy vavy ary ny fifandrafiana ara-politika ao Kazakstana
Vetivety dia nivadika ho tafiotram-piampangana ny fifanandrinana, niteraka hatezeran'ny besinimaro ary nampiharihary ireo hetsika ambadika tamin'ireo fifandraisana nikorontana nisy teo amin'ny fanatanjahantena matihanina sy ny politikan'ny governemanta
Ireo fombandrazana ara-tsakafon'i Boligara ho fomba iray hamerenana indray ny tsiaro ara-kolontsaina : ireo hainahandron'i Nenibe adino tao an-tanàn'i Antimovo
Ny hainahandro eo an-toerana ao amin'ny vohitra Bolgara iray akaikin'i Danube dia mampifangaro ny fomban-drazana Vlahian sy Bolgara, manome toerana ny fisarihana ireo mpizahatany nasionaly ary koa ireo avy any Romania sy Serbia mpifanila vodirindrina.
Famaranana ny herisetra manjo ny vehivavy amin'ny fotoanan'ny ady sy ny fandriam-pahalemana
Anatin'ny fifandonana mitàm-piadiana, ireo vehivavy no tena lasibatra amin'ny fikasana manokana hanimba ny fiarahamonina izay misy azy, na voaratra amin'ny fanararaotana aterak'ilay fotoana, tsy misy tahotra ny ho voasazy.
Ny fomba niatrehan'i Nizerià ny fanao tsy mitsahatra mandrimbona ny taovam-pananahan'ny vehivavy (FGM): resaka tamin'ny Dr. Chris Ugwu
Ny FGM dia mitarika hirifiry mahatsiravina, aretina, fahaverezan-drà be loatra, tsy fahatazonana amany, fahasarotana rehefa miteraka, dona anaty ary hatramin'ny fahafatesana aza indraindray. Any atsimo-andrefana sy atsimo-atsinanan'i Nizerià no ahitàna ny taha ambony indrindra amin'ny FGM ao Nizerià.
Hatavezana hita sy maharitra
"Ny fiainako manontolo, tsy mino aho fa mbola nahatsapa fa mila maka toerana kely kokoa, afa-tsy ao amin'ny vatako.."
Nahandro nentim-paharazana Bolgara: fomba iray hamerenana ny fahatsiarovana ara-kolontsaina ny tarhana
Miharihary amin'ny nahandro any atsimo atsinanan'i Bolgaria ny fitaomana tatsinanana, akaikin'ny sisintanin'i Torkia sy Gresy. Mampiroborobo ny mofomamy tarhana avy amin'ny fomba nahandro noforonin’ny renibeny i Temenuzhka Mateva.