· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2009

Puerto Rico: Kiaka manohitra herisetra

25 Novambra, ao anatin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany natao hamongorana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, izay manamarika ihany koa ny andro voalohany maeran-tany amin'ny hetsika 16 andro hanoherana ny herisetra [16 Days of Activism Against Gender Violence], dia vehivavy mpitoraka blaogy avy ao Puerto Rico no nanoratra lahatsoratra momba ny herisetra miantraika amin'ny fiainan'izy ireo, amin'ny fianakaviany ary amin'ny fiarahamonin-dry zareo. Nanoratra tonokalo ry zareo, fanadihadiana lalina, sy fampieritreretana ihany koa. 'Ndao mba hojerentsika ny endrik'izy ireo, hovakiantsika ny lahatsorany, ary hohenointsika ny feony.

29 Novambra 2009

Japana: Rehefa tsy salama ramatoa vadinao

Rehefa mifandona ny kolontsaina Japonein'ny “vahoakan'ny orinasa” (社蓄 shachiku) sy ny soatoavina ary ny lanjan'ny fanambadiana – maherin'ny 300 no olona namaly an'ity fanontaniana ity tao amin'ilay “forum”  goavana Hatsugen...

06 Novambra 2009