Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Janoary, 2016
Tonga Ao Italia Ireo “Mpanohitra Andriambavy”-n'i Arzantina
Nitondra fahalinana goavana tao Italia ny andiam-boky "Mpanohitra-andriambavy" teraka tao Arzantina, ary vokatry ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny Gloval Voices, ho avy tsy ho ela ny fanontàna ny dika amin'ny fiteny italiana.
Indiana Mpianatra Voahilikilika Sy Nampijaliana Rehefa Nitatitra Ny Herisetra Ara-nofo Nihatra Taminy
Niampanga ny mpampianatra azy ho nanery azy hiray aminy ny mpianatra vehivavy iray ao amin'ny ivom-pampianarana horonantsarimihetsika ao India. Saingy raha nitatitra izany izy, dia nivadihan'ny mpianatra.
Tsy Ny Disadisa Siriana No Hakàn'izy Ireo Amiko Ny Noeliko

Ao anaty firenena iray anjakan'ny ady dia sady fihetsika tena tsy misy fahamatorana no fanoherana mahery vaika ny fankalazàna Noely.
‘Manao Fotsy Hoditra Fotsiny Ianao Dia Mandresy’ Dokambarotra Voatsiny Ho Mpanavakava-bolonkoditra Tao Thailandy
"Milaza ny dokambarotra Thailandey iray fa afaka ho mpandresy ianao raha fotsy hoditra. Ity no dokambarotra mpanavakava-bolonkoditra indrindra hitako hatramin'izany."
Filatroana Afghana Niteraka Adihevitra Mafana sy Fanantenana Ho An'ny Fiarahamonina Misokatra Kokoa
Ho an'ny sasany mahery fo izy ireo, ho an'ny hafa "mpivaro-tena" izay "nampihatra ny hevitra Tandrefana" izy ireo. Toeram-piadiana ara-politika ny filatroana ao Afghanistana,
Amsterdam: Sahand Sahebdivani Sy Ny Fiventesany Tantara Mahatalanjona (Ampahany 1)
Ao anatin'ity tafa misy andiany roa niarahany tamin'ny Global Voices, resahan'i Sahand Sahebdivani ny momba ireo fifankahitàna ara-kolontsaina, ireo vehivavy maherifo any anatin'ny angano Persiana, ny tanjaky ny fiventesana tantara ary ny hevitry ny fifangaroana, fifanakalozana kolontsaina.
Japana Sy Korea Atsimo : Mahatezitra Ireo Akanga Sisa Nanamborana Ilay Fifanarahana Manantantara Momba Ireo “Vehivavy Fampiononana”
Noteren'ny tafi-panjakana Japoney ho amin'ny fanandevozana ara-pananahana ireo vehivavy manerana an'i Azia nandritra ny ady lehibe faharoa. Tsy niombona hevitra tamin'io fifanekena io ireo akanga sisa nanamborana sy ireo mpanao politika Japoney sasany avy ao amin'ny hery ankavanana.
Mpikatroka Miezaka Mamafa Ny Fanilikilihana Ateraky Politikan'ny Governemanta Amin'ny Resaka Fanalan-jaza
"Satria mikasika ahy izany, ny fanapaha-kevitra hanala zaza na tsia dia tokony ho zoko samirery."
Nahazo Aingam-panahy Tamin'ny Fomba Nentim-paharazana, Mirona Amin'ny Fomba Fitsaboana Natoraly Ny Taovam-pananahany Ireo Vehivavy Any Amerika Latina
Mampiditra ny fahalalàna nentim-paharazana mikarakara tena samirery amin'ny fiainana maoderina andavanandrony ireo vehivavy. Tsy ny hoe hiala tanteraka amin'ny fitsaboan'ny manampahaizana akory ny tanjona, fa kosa mba mahalala ireo fomba rehetra hafa azo atao .