Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Desambra, 2019
Ho an'ireo vehivavy tiorka mitolona tsy hianjadian'ny herisetra, toy izao no navalin'ny filohampireneny : Atsaharo ny fitakiana fitoviana
2014, taona iray nampivarahontsana raha resaka herivetra manjo ny vehivavy tao Tiorkia. Tsy tsara araka izany ny nandraisana ilay 'fifanahantsahànana' naroson'ny filoha Erdoğan.
Nanoloana ireo fanivaivàna feno fanavakavahana, namoaka karatra mena ity klioba Katalàna mpilalao baolina kitra ity taorian'ny nandroahana ilay ekipan'ny tranainy
"Miverena any an-dakozia, ndeha mamafa trano, kisoa, tay ianareo" : toy izany no fomba itondran'ireo tranainy ireo tovovavy mpiray klioba amin-dry zareo.
Nahoana no mila faranana ny ‘Chhaupadi’ fomban-drazana Nepaley mahafaty
Maro ny zazavavy sy vehivavy ao amin'ny faritra andrefana sy ny farany andrefana ao Nepal no maty noho ny fanilikilihana ateraky ny fombandrazana naharitra anjato taonany tsy tia fadimbolana ka mandrara zavatra maro mandritra izany fadim-bolana izany.
Chhaupadi, Fomban-drazana Nepaley manilika ny vehivavy mandritra ny fadim-bolana
Na dia nandràra ny chhaupadi aza ny Fitsarana Tampony Nepaley tamin'ny taona 2005, dia mbola miorim-paka mafy any amin'ireo tanàna be havoana saro-dalana izany.
Firaisankina ho an'i Yuli Riswati, ilay Indoneziana mpiasa an-trano noroahana fa nitantara momba ny fihetsiketsehana tany Hong Kong
"Izahay dia manameloka ity fihetsika ity izay mety natao hampitahorana ireo mponina tsi-maharitra ary hanakana azy ireo tsy handray anjara na hitatitra sy haneho hevitra momba ny hetsika politika eto Hong Kong."
Onja vaovaonà fametavetàna sy fanararaotana ankizy mahazo an'i Pakistàna
Na eo aza ireo sazy henjana ampiharina amin'ny heloka bevava (..) dia haingam-pitombo ny isan'ireo trangam-panararaotana ankizy any Pakistàna.
Kôlômbia, tantara an-tsary iray miresaka ny fanarahamaso sy ny miralenta, manaraka ny gadona salsa
María Juliana Soto, mpamorona ny tantara an-tsary nomerika « Tour Delirio : Salsa y Vigilancia », niresaka tamin'ny Global Voices momba ny miralenta sy ny fanarahamaso ao Amerika Latina
Buzzfeed kirghizy miteraka fitarainana (sy fijery) momba ny fitsaràna an-tendro mifototra amin'ny maha-lahy sy vavy
« Ny kelin idealy dia manolotra dite amin'ny tànany havanana saingy tsy mameno velively ny kaopy. »
Raràn'ny filohan'i Gambia ny ‘fanombinana ny taovam-pananahan'ny vehivavy, saingy mbola be ny asa miandry
Adino tao anatin'ireny fiarahabàna ireny (...), ny zavamisy hoe tsy voaràra ao Gambia ny FGM, na farafaharatsiny, tsy mbola izay aloha no tena izy
Tranga fanorisorenana ara-nofo ao Trinité & Tobago manasongadina fa ilaina ny politika tsara kokoa momba izany
Niteraka adihevitra momba ny politikan'ny fanorisorenana ara-nofo any amin'ny toeram-piasana ny tranga fanorisorenana ara-nofo vao haingana tany Trinite sy Tobago, indrindra rehefa misy fiantraikany amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona (LGBTQ) izany.