Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jona, 2017
Maraoka: Ny Tena Zava-misy Amin'ny Fivarotan-tena
Tranga iray ao Maraoka ny momba ny mpianatra mpivaro-tena. Bilaogera Words For Change namoaka lahatsoratra mahaliana momba ny tovovavy ambanivohitra ao Maraoka, tonga tao an-tanàna lehibe mba hianatra eny amin'ny oniversite, ary niafara tamin'ny fivarotan-tena.
Ejipta : 18 Aprily, Andro Iadiana Amin'ny Sotasota Atao Amin'ny Vehivavy
Afaka atao ny fanamarihana ireo mpanao herisetra amin'ny ranomainty eo amin'ny tarehiny izay tsy hamela marika maharitra izany, toy ilay ampiasaina mandritra ny fifidianana, rehefa mandona ny rantsan-tanany ao anatin'ny ranomainty ireo efa nifidy
Manàmbana Haka An-keriny Vehivavy Indiana Ao Amin'ny Facebook Ny Vondrona ‘Cyber Warrior’

Mety hitarika vokany henjana eo amin'ny fiainana tena izy, indrindra ho an'ireo vehivavy, ireo fandrahonana miendrika famonoana sy fakàna ankeriny olona .
Hijanona Sa Handeha? Toa Ho Diso Safidy Hatrany Ireo Mpiasa Etiopiana
"Tena mampivarahontsana ny mahita fa tsy liana amin'ny fiverenana any an-tanindrazany ny ankamaroan'ny Etiopiana na dia eo aza ny mety hisian'ny herisetra."
Afrika: Eritreritra Fahavaratra (Hevitra Avy Amin'ny Renim-pianakaviana)
Firy taona no tokony hanomboka handrisika ny fangoraham-po sy hanome ho an'ny ankizy isika? Tohina i Isabella indray andro, raha tonga tao an-trano avy eny amin'ny toby ny zanany vavy ary nilaza taminy renibe izy (Isabella).
Fitsidihana Bilaogy Libiana: Firenena Vaky Fo
Raha mpinompino foana aho, mety hiteny hoe nototoim-bintana ireo Libiana bilaogera. Volana iray talohan'ny Andron'ny Mpifankatia, betsaka tsy toy ny nahazatra ireo tratry ny alahelo am-po, ary ny lehibe indrindra miohatra amin'ny fiara fitobian'ny olam-piainana. Fiarandalamby haingam-pandeha mifaoka ny zavatra rehetra eny amin'ny làlany io, na lahy na vavy dia samy voa avokoa.
Iran: Tantara Ratsy Ara-nofo Nivoaka Tamin'ny Mediam-bahoaka
Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nandrakitra sy nampiditra lahatsary misy ny filoha lefitry ny sekolin'izy ireo, Hassan Madadi, miaraka amin'ny lobaka tsy mihidy, voalaza fa miomana hanao firaisana ara-nofo amin'ny mpianatra vehivavy ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Avaratra-Andrefan'i Iran,
Vehivavy Iray Ambadiky Ny Sarintany Ifarimbonana Mandrakitra Ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika
Miasa amin'ny solon'anarana "Princesa" izy. Ny antony nanosika azy nanangana ny sarintany ifarimbonana mandrakitra ny famonoana ny vehivavy dia ny mampahafantatra ireo vehivavy tsirairay niharam-boina mba tsy ho adinoina.
Koety: Lalao An-dahatsary, Gazety sy Bilaogera Vehivavy
Miresaka momba ny lalao an-dahatsary, ny gazety sy ny fomba fijery mikasika ny bilaogera vehivavy ireo bilaogera telo samihafa.
Bahrain: Mpamono Olona Mangina Ny Etona [Anaty Fiara]
Mpifankatia ao anaty fiara mijanona ao amin'ny garazy. Mandeha ny fitaovana mpamaritra rivotra. Maty ny iray tamin'ireo mpifankatia. Tantara nomanin'ilay bilaogera Bahrainita Dr Haitham Salman ho antsika