Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Oktobra, 2019
Portiogey mpihira rap, miteraka adihevitra noho ny fanehoana ny herisetra an-tokantrano ao anatin'ny lahatsary vaovao
Fikambanana amam-polony maro mpiaro ny zon'ny vehivavy no nitsikera ilay mpihira rap Valete, izay namaly tamin'ny filazàna fa "poakaty" ilay adihevitra.
Nosafidian'ny BBC ho iray amin'ireo vehivavy 100 nanana herim-panintonana indrindra ilay vehivavy Thailandey moanina Theravada
Nifanehitra tamin'ny fanoherana avy amin'ny laika sy ny moanina izay manohitra ny fanokanana ny vehivavy ny ezaka nataon'i Dhammananda hanangana indray ny fitohizan-taranaka Theravada bhikkhuni (monasiteran'ny vehivavy) any Thailandy.
Barbadiana sa Jamaikana i Rihanna? Milaza ireo mpisera Twitter Jamaikana fa Jamaikana izy
Eny, avy ao amin'ny nosy Karaiba, Barbados ilay mpihira superstar, Rihanna, saingy nisy fotoana nanontany tena ireo mpisera media sosialy raha tena avy ao Jamaika tokoa izy.
Na dia teo aza ny ‘solon'ny loka’ tamin'ny herintaona dia tsy nomena an'i Maryse Condé avy ao Guadeloupe ny Loka Nobel Literatiora taona 2019
Saika nitsiky tany amin'i Maryse Condé ny herijika saingy ilay mpanoratra Aotrishana Peter Handke no notoloran'ny Akademian'i Soeda ny loka Nobel ho an'ny Literatiora taona 2019.
Niteraka resabe ny fijoroan'ny filohan'i Trinite sy Tobago amin'ny resaka sipa
Tsy mbola manambady ara-dalàna? Aza manantena ny sipanao hahazo fanasana amin'ny hetsika ao amin'ny Lapan'ny Filoham-pirenena - raha tsy hoe angaha hiova amin'ny fanapahan-keviny ny Filoha Weekes momba ny "vanim-potoana Victoriana"
Vehivavy Mpikatroka Meksikana miady ho amin'ny fiarovana azy ireo ao amin'ny aterineto
Noho ny tenirohy #LoVirtualEsReal [tena misy ny virtoaly], nahavita nanova ny lalàna ireo olom-pirenena sy mpikatroka Meksikana toa an'i Olimpia Coral Melo Cruz mba hanasaziana izay olona rehetra, na vadiny na sipany na tsia, mamoaka sary amin'ny endrika mamoafady na fiainana manokana ara-pananahana tsy misy fankatoavan'ilay olona miseho amin'ny sary na lahatsary.
Miahiahy momba ny “polisy misahana ny fitondran-tena” ny Azerbaijaney
Mahita ireo mponin'i Baku liam-pndrosoana fa tsy ara-pitondran-tena ny "polisy misahana ny fitondran-tena" ary milaza ireo manam-pahaizana fa tsy hahomby ny fanapahan-kevitra hametraka izany.