Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Desambra, 2015
Andron'ny Fehilamba Fotsy 2015: Firaisankina Aostraliana Hiadiana Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Fianakaviana
"Mihoatra lavitra noho ny filàna fitsetserana fotsiny, ireo miaina ny herisetra anatin'ny fianakaviana dia mila sampan-draharaha voavatsy vola tsara, fonenana mendrika, fiahiana ara-tsosialy matanjaka"
Niverina Ny Hetsika ‘Vahaolana Amin'ny Herisetra’ Ataon'ny Mpisera Amin'ny Facebook, Sy Ny Adihevitra Momba Ny Politika Hifehezana Ny Herisetra An-Tokantrano Any Trinidad Sy Tobago
Ny fiverenana amin'ny hetsika no ataon'ny mponina ho vahaolana amin'ny herisetra amin'ilay fantatra amin'ny hoe 'Facebook Division'-n'ny mpitandro filaminana. Tamin'ity indray mitoraka ity dia lehilahy iray nidaroka ny namany taminà tapaka vifotsy no enjehan'izy ireo.
Eritreritra tsy tana nataon'ilay mpikatroka mpanao gazety tamin'ny fihaonany tamin'ny masoivoho iraniana nandritra ny lanonana farany taona iray tao New York
" Hamirapiratra ao Iran ny andro rehefa hiarahaba ny vehivavy sy ny mpanao gazety Iraniana tsy misy tahotra na rehareha izy ireo."
Nandatsa-bato Tamin'ny Fifidianana Manan-tantara Ny Vehivavy Saodiana; Te Hanana Zo Bebe Kokoa Izy Ireo Ankehitriny
Vehivavy Saodiana iraika amby roapolo no nahazo seza tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna, sambany teo amin'ny tantara. Ankehitriny, mitady zo maro hafa ny vehivavy Saodiana, izay voaràra tsy mahazo mitondra fiara.
Mendrika Ny Tsaratsara Lavitra Noho Izao Ireo Mpiasa An-trano Any Amin'ny Ampahan'ny Tanibe Indiana
Karama kely, tsy fahampian'ireo fiarovana ara-dalàna, fanararaotana. Izany no fitondrana mahatsiravina azon'ireo mpiasa an-trano. Efa an-dàlana moramora nefa matotra ny fiovàna, tokatrano iray isaky ny mandeha.
Mihaika ny Dinam-Piarahamonina Ao Venezoelà ny Kandidà Iray Nanova Taovam-Pananahana
Manantena ny hahatratra ny Antenimieram-Pirenena ny kandidà Venezoelana trans voalohany indrindra eo amin'ny tantara ary hitondra ireo lohahevitra tahaka ny mariazim-pitoviana, fiovana anarana sy mahalahy/vavy eo amin'ny antotan-taratasim-panondroana.
Vehivavy, fahefana, tombondahiny ary ny vokatry ny lahatsarin'ny Black Friday ao Pakistan

Misy amin'ny ambaratongan-drafitra ny tombondahiny sy ny fahefana ary ilay lahatsary fotsiny dia mahatonga ahy hanontany ny toe-javatra mety hiteraka izao fahadalana misy ao Pakistan izao.
Henjana Ny Fiainan'ireo Ankizy Boliviana Any Am-Ponja, Fa Mety Hihatsara Izany Ato Ho Ato
Bolivia no mety ho firenena tokana eto ambonin'ny tany izay matetika mampiditra am-ponja ny ankizy sy ny tanora miaraka ami'ireo nahitàny masoandro, raha toa ireto farany ka mbola manefa sazy noho ny fiampangàna azy ireo ho nanao heloka bevava