Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2020

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2020

2020 no taona ratsy indrindra ho an'ny mpanoratra an-gazety ao Kenya

Hatramin'ny nipongaran'ny coronavirus vaovao tao Kenya tamin'ny volana marsa, mihoatra ny 47 ny trangam-pisamborana tondromolotra, fanafihana sy fanohintohinana nihatra tamin'ny blaogera, mpikatroka anjotra ary mpiaro ny zon'olombelona.

Goatemalà: Dokambarotra tsy mahasarika

Niteraka resabe ny andiana dokambarotra nataon'ny orinasa mpanao kiraro avy any Goatemalà mampiseho vehivavy maty manao kiraro lamaody. Heverina ho tsy mety izany dokambarotra izany ao amin'ity firenena ity izay ahitana ny taha famonoam-behivavy avo. Manohitra izany ary manambara ny fanaovana ankivy an'ity orinasa mpanao kiraro ity ireo bilaogera Goatemalteka.

Dokambarotra indiàna nanasongadina ankohonana iray miozolmàna Hindo, nesorina taorian'ny valibontan'ny elatra havanana

Asehon'ilay dokambarotry ny Tanishq ny vehivavy iray hindo mitafy sari sy firavaka notarihan'ny rafozambaviny miozolmàna hamonjy fety nentindrazana hindo fanao amin'ny fampandroana zazamena.