Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Mey, 2019

31 Mey 2019

Tsy andriko izay hanambadiana: mpivady mitovy fananahana an-jatony maro no nankalaza ny mariaziny tany Taiwan

Manokatra ny vavahady ho an'ny fitoviana ara-panambadiana ho an'ny mpivady mitovy fananahana any Taiwan ny 24 Mey. Mpivady an-jatony no nanao fampakarambady tao amin'ny nosy, nankalaza ny fiafaran'ny fanavakavahana sy ny fankatoavana ara-tsosialy.

26 Mey 2019

Fihaonana taminà lehilahy mpanao karipetra ao Armenia

"Rehefa matihanina ianao dia manome ny tsara indrindra avy aminao. Tsy misy idiran'ny hoe lehilahy sa vehivavy ianao"

21 Mey 2019

‘ Nisafidy Ny Fahanginana Aho Ka Niaritra Izany’ : Miatrika Ny Herisetra An-tokatrano Ao Armenia

"Mahazatra azy ny manipy ahy tahaka ny baolina eny amin'ny rindrina."

18 Mey 2019

Ao Hong Kong, miteraka fifandirankevitra ny ambadika ara-nofon'ny dokambarotra gilasy tofu an'i Ikea

Aposak'ilay [doka] sary an-tsaina ny vehivavy iray maniry ny ihinanana ny tenany tahaka ny tofu.

14 Mey 2019

Navadik'i Stella Nyanzi ho fitaovam-piadiana ve ny fivaviana? Notsaraina amin'ny resaka fahalalaham-pitenenana ny vehivavy feminista Ogandey

GV Mpisolovava

Amin'ny fikatsahany governemanta tsara tantana, "hentitra amin'ny tsikera ataony amin'ny governemanta Ogandey" i Stella Nyanza ary tsy matahotra ny hiady hevitra momba ny fady manodidina ny fananahana sy ny miralenta ary mijoro hiaro ny zon'ny LGBT.

12 Mey 2019

Kabinetra Hazoboboka, mampiredareda ny afon'ny hatezeram-bahoaka any Zimbaboe

Niatrika ny tstindry tsy mitsahatra mba hisian'ny fiovàna, roa herinandro lasa izay dia nohavaozin'i Robert Mugabe, ilay mpitondra an'i Zimbaboe tratry ny fahirano, ny governemantany, saingy tsy nahavita kely akory mba hampihenana ny fijalian'ny firenena izay ravan'ny fitarihana gaboraraka sy toekarena tsy mahomby.

10 Mey 2019

Fanehoan-kevitra isan-karazany manoloana ny drafitr'i Trinidad sy Tobago hampiaty ireo mpifindramonina Venezoeliana ho ara-dalàna

Manomboka amin'ny fanararaotana ireo mpitsoa-ponenana hatramin'ny fitomboan'ny heloka bevava feno herisetra. Maneho hevitra isan-karazany i Trinidad sy Tobago manoloana ireo venezoeliana mpifidramponina tsy mitsahatra tonga ao aminy.

07 Mey 2019

Lasa tanjon'ny tovovavy any amin'ny faritra an-tendrombohitra avaratr'i Azerbaïdjan ny baolina kitra

Toerana mahantra iray mpandala ny nentim-paharazana i Shaki , saingy lasa toy ny herin'ny firenena ny ekipa mpilalao baolina kitra vehivavy manan-talenta ao an-tanàndehibe.