Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2016
Malahelo Ny Maha-Mpiady Anaty Akata Azy Izy, Saingy Manomboka Fiainana Vaovao Ao Amin'ny Fireneny Ity Menavazana Tao Amin'ny FARC teo Aloha ity
Nandray basy ary nanatevin-daharana ny FARC i Xiomara tamin'ny faha-14 taonany. Toy ireo vehivavy an'arivony hafa, azony ankehitriny ny fomba atao handaozana izany fiainana izany.
Mbola Lavitra Ny Làlana Hodiavina Amin'ny Ady Ho An'ny Zon'ny Vehivavy ao Afganistana
"Satria nateraky ny olona iray manana atidoha tsizarizary ho eto amin'ity tontolo ity, dia tsy maintsy olona tsy misy atidoha ihany koa ingahy solontenan'ny filankevitra ara-pivavahana eto Kabul."
Mampibaribary Ny Fanavakavahana Ara-pananahana Mipetraka Ao Libanona Ny Adin'ny Reny Iray Ho An'ny Zanany Lahy
Nosamborina i Fatima Ali satria tsy nety namela ny zanany amin-drainy, niteraka ny mety ho mariky ny hetsika vaovao ho an'ny zon'ny vehivavy ao Libanona.
Manao Sary ireo Herisetra Niainany Teny Amin'ireo Arabe Pakistaney i Shehzil Malik
“Seeing a woman outside should be normal...It shouldn’t matter. But the fact that it does means this conversation needs to happen." / ''Tokony zavatra tsy mahatalanjona ny mahita vehivavy any ivelan'ny trano... Tokony tsy hanahirana izany. Fa ny zava-misy dia midika fa mila mitranga ity resaka ity.
Vao 7 Taona, Namoaka ny Bokiny Voalohany Ilay Ankizivavy Afrikana Tatsimo Michelle Nkamankeng
Ny "Miandry onja" dia milaza ny tantaran'ny zazavavy miala sasatra miaraka amin'ny ray aman-dreniny any amoron-dranomasina. Boky voalohany amin'ireo andiany efatra ny boky.
‘Tsia’ Ho An'ny Lalàna Hijab Ao Iràna Hoy Ilay Indiana Mpitifitra, Heena Sidhu, ary Mitambatra Aoriany Ireo Tambajotra Sosialy
"Niala tsy hiady ny Tompondakan'ny Poleta Rivotra Aziatika ao Iràna noho ny lalàna tsy maintsy arahina mikasika ny hijab i Heena Sidhu. Lalàna adaladala. Ary, hetsika feno herim-po''
Iza i Duterte? Podcast andiany “Into The Deep” (Fidirana Lalina)
Zanaka vehivavy janga no niantsoany an'i Obama, filohan'i Etazonia. Namono an'arivorivony ny ady ataony amin'ny zava-mahadomelina. Saingy vao ny antsasaky ny tantara fotsiny ihany izany raha ny filohan'i Filipina Rodrigo Duterte no asiana resaka.
Tokony Tsy Hanafina Ny Tsy Fahazoany Fahafinaretana Mandritra Ny Firaisana Ara-nofo Ny Vehivavy Hoy Ilay Rosiana ‘Mpiaro Ny Ara-nofo’
Natsangana tamin'ny tenirohy #честныйоргазм ( "#OrgasmaMadio"), ny fanentanana vaovao natombok'i Elena Rydkina "mpiaro ny ara-nofo" mandrisika ny vehivavy mba hizara ny tantaram-piainan'izy ireo momba ny fotoana mody nahatongavan'ny tampom-pahafinaretana hanomezana fahafaham-po ny sakaizany tsy nahavita nanome fahafinaretana azy ireo noho ny tsirambina na tsy firaharahiana.