Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jona, 2011

25 Jona 2011

Arabia Saodita: Vehivavy Eo Aorian'ny Familiana

Vehivavy Saodiana maro omaly no nandray ny familiana tao Arabia Saodita mba hankahatra ny fandraràna azy ireo tsy hitondra fiara. Natao tamin'ny Facebook ny fanetanana, ary namafisin'ireo resaka ifanakalozana tamin'ny fampahalalam-baovao ara-tsosialy hafa, toy ny vohikala fanaovana bilaogy kiritika Twitter.

15 Jona 2011

Kambodza: Vehivavy Mpandraharaha sy ny Valantserasera

Natsangana tao amin'ny facebook ny vondron'ny Vehivavy Kambodziana ao amin'ny fandraharahana ny volana Novambra 2009 mba hizarana ny traikefa ananan'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fandraharahana sy ny hisiana tambazotra ao Kambodza. Nanomboka hatreo, dia nisy hatrany ny fivoriana notontosain'ny fikambanana izay notohanan'ny Famatsiambola Iraisampirenena ho amin'ny Fiarahamiasa ao Kambodza. Ny herinandro...

04 Jona 2011

Ejipta: V na hoe Virijiny sa tsia?

Taorian'ny fanamarinana ilay vaovao manafintohina momba ny fitsirihana ny maha-virijiny na tsia an'ireo vehivavy nanao hetsi-panoherana izay voatàna nandritra ny revolisiona Ejiptiana, hatezerana moa izany, tsy ireo vehivavy Ejiptiana ihany, fa hatramin'ny lehilahy izay tsy nety nino mihitsy fa hoe ireo niady ho an'ny fahamendrehana sy ny fahalalahana no hisetrasetrana...

02 Jona 2011

Iran: Maty Nandritra ny Fandevenana ny Rainy ilay Vehivavy Mafàna Fo Amin'ny Fiarovana ny Zon'ny Vehivavy

Haleh Sahabi, maty omaly maraina ny vehivary iraniana iray mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy noho ny herisetra nataon'ireo mpitandro filaminana nandritra ny fandevenana an-drainy, Ezatollah Sahabi, tia tanindrazana sady mpitarika politika ela nihetezana.