Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2011
Arabia Saodita: Hatezerana Noho Ny Kàpoka 10 Ho Anà Vehivavy Namily Fiara
Enim-bolana lasa izay, nitondra ny fiarany teny an-dàlambe iray tao Jeddah i Shaima Jastaniya. Tamin'ny Septambra, voasazy handray vely karavasy 10 i Jastaniya noho izany. Nahazo fiantsona hiseho eny amin'ny fitsaràna ireo vehivavy roa mpanao gazety nitatitra ny fanasaziana azy.
India: Ny Zanak'i Aishwarya Rai Sy Ny Hadalan'ny Haino Aman-jery
Ny mpilalao horonan-tsarimihetsika any Bollywood izay bevohoka, dia i Aishwarya Rai Bachchan sy ny zanany izay mbola am-bohoka, no vaovao tena malaza ao amin'ny haino aman-jery Indiana. Miresaka mikasika ny tsaho, ny vaovao, ny fifanoheran-kevitra sy ny fomba fijery amin'ity resaka ity ireo mpampiasa Twitter.
Armenia: Tohana Vaovao Ho An'ireo Tratry Ny Herisetra An-tokantrano
Olana tsy azo noresahina nandritry ny fotoana ela ny herisetra an-tokantrano teo anivon'ny fiaraha-monina Armeniana. Fa tamin'ny vono nahafaty an'i Zaruhi Petrosyan, 20 taona, nataon'ny vadiny sy ny rafozany taminy ny volana Oktobra lasa teo, dia nahasintona olona sy fikambanana maro ity resaka ity, izay mihatra amin'ny mihaotra ny iray ampahefatry ny vehivavy ao Armenia.
Zambia: Lahatsary Vetaveta Niteraka Adihevitra Momba ny Kolontsaina, Ny Miralenta ary ny Fahamendrehana
Nivoaka tao amina vohikalam-betaveta iray, ka nalaza vetivety teo amin'ny mpiserasera Zambiana izay nifampizara ny rohy ny lahatsarim-betaveta nataona mpianatra vavy iray teo amin'ny sekoly iray anisan'ny lafo saram-pianarana indrindra ao Zambia, tamin'ny sipany
Bangladesh: Fanoherana Am-pahasahiana Ny ‘Dot’
Farzana Yasmin, tovovavy iray avy ao Bangladesh no nampanakoako nanerana ny firenena ny fisarahany tamin'ny vadiny teo noho eo tamin'ny andron'ny fampakarambady, taorian'ny nangatahan'ny fianakavian'ity farany 'dot' (fanomezana atolotra mialoha ny hidirana amin'ny tokantrano vao), niaraka tamin'ny fankatoavany, tamin'ny fianakavian-dravehivavy.
Ejipta: Feminista Namoaka Ny Sariny Mitanjaka “Hilazany Ny Fahalalahany”
Vehivavy mpandala ny mahavehivavy Ejipsiana iray no nampiseho ny sariny mitanjaka tamin'ny aterineto hanehoany ny fahalalahany. Miresaka momba ity, araka izay tantarain'i Tarek Amr, ny mpisera Ejipsiana.
Azia Atsimo: Mankalaza ny Zazakely Faha-7 Miliara
Tamin'ny 31 Oktobra 2011, nandray ny zazakely vao teraka antsoina hoe Oishi ny planeta. Nampitondraina hafatra manokana ny Fahaterahany tao an-drenivohitr'i Bangladesh, Dhaka -” izy no zaza faha-7 miliara eto an-tany.”...
Porto Rico: Momba Fampitam-baovao Tamin'ny Meday Volamena Azon'ny Ekipa Nasionaly Vehivavy
Sambany ny Ekipa Nasionaly Basketball Vehivavy ao Porto Riko no nandrombaka ny meday volamena nandritra ny fifaninanana Pan Amerikana natao tao Guadalajara, ao Meksika vao haingana, taorian'ny fandreseny an'i Meksika tamin'ny isa...
Ejipta: Tokony Hisarom-boaly Koa Ny Lehilahy!
Niaraka tamin'ny fitroaran'ireo Islamista talohan'ny revolisiona, nitombo ny tahotra ny hisian'ny faneriterena ara-pinoana teny anivon'ny tanora, ireo vitsy an'isa ary ny vehivavy. Vondrona Facebook iray mandrisika ny lehilahy hitafy Hijab na voaly, ho fanehoana firaisankina amin'ny vehivavy no vao avy nandom-baravarana. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny fandraisan'andraikitr'ireo Ejiptiana sy Toniziana mpampiasa aterineto.