Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Avrily, 2021
Fantaro i Beatriz Gomes Dias, mpampianatra izay mety ho vehivavy mainty hoditra voalohany hitondra an'i Lisboa
Voafidy hitarika ny lisitry ny Tambatra Havia amin'ny fifidianana ao an-toerana any Lisbonne, kasaina hatao amin'ny faran'ny taona ity i Beatriz Gomes Dias, mpikambana ao amin'ny parlemanta amin'izao fotoana izao.
Asongadin'ny Tetikasa Zazavavindrano ny olan'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ao Meksika
"Iankinan'ny ain-dehibe mihitsy raha mandray anjara mavitrika amin'ny fiadiana ireo firafitra mampifikitra ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ny lehilahy."
Miatrika sazy am-ponja noho ny sary “vatana miabo” ilay mpikatroka pro-feminisita any Rosia
Nanondro an'i Tsvetkova ho voafonja noho ny fieritreretana ny Amnesty ary niantso an'i Rosia mba hanala ny fiampangana rehetra sy "hampitsahatra ny fanaovana lasibatra ny feminista, LGBTI ary ireo mpikatroka hafa"
Ho an'ilay mpikatroka Latina, “mahery” no voambolana ilaintsika fa tsy hoe “miangana”
Te hahita ny hoavy izay ifantohan'ny fahaiza-mitariky ny vehivavy aho, ka ny hevitra mitarika "miaraka" fa tsy "avy eo ambony" no ho lasa fenitra fa tsy fanavahana.
HORONANTSARY/RAKIPEO: Mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Tsy nahita ny fandefasana mivantana ny fivoriana Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any amin'ny firenena miisa dimy tamin'ny 7 Aprily ve ianao ? Indro ny famerenana.
MIVANTANA amin'ny 7 Aprily: Krizy ara-pahasalamana iray hafa – mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Miteraka fahafatesan'olona manodidina ny 30,000 isan-taona ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Manasa anao hihaino ireo vehivavy avy any Oganda, Thailandy, Brezila, Pakistan ary Polonina hiresaka momba ny zo ara-pananahana any amin'ny firenena misy azy ireo.