Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jona, 2015
Mivoaka ao Tehran Indray ny Zavakanto an-Dalamben'i ‘Black Hand’ Vaovao ho Setrin'ny Fitakiana Hahazoan'ny Vehivavy Mijery Spaoron-Dehilahy
Eo amin'ny sary lehilahy iray manao fanamian'ny ekipam-pirenen'i Iran amin'ny football [baolina fandaka], manandratra tavoahangin-dranotsavony fanasana lovia mampahatsiahy ireo mpilalao mitazona ny amboaran'ny Mondialy.
Fandrosoana Mahafinaritra Vitan'ny Matildas Tafakatra Ampahaefadalana Mondialy Vehivavy: Aostralia 1 Brezila 0
Nahaankona tokoa ny zavabitan'ny Matildas Aostraliana nandresy an'i Brezila (1-0) ka nahatrarany ny ampahaefadalana amin'ny Mondialy vehivavy tontosaina any Canada.
Gazety-Boky ‘Cholita’ Hoan'ny Vehivavy Teratany Malaza ao Bolivia
".. izao angamba ny fotoana hanovan-javatra mba hahatonga ny vehivavy hanana ny fahefana."
Fetibe Vaovaon'ny Filma sy Radio ao Amerika Afovoany Miresaka ny Tolona Ataon'ny Vazimba Teratany
Nanomboka tamin'ny 10 jona tao Oaxaca ny Fetibe voalohan'ny Filma sy Radiom-Piarahamonina aoAmerika Afovoany ary hitohy any amin'ny firenena hafa maro ao amin'ny faritra amin'ny faraparan'ity volana jona ity.
Fanomezam-Boninahitra ilay Vehivavy Kyrgyz Nanangan-Jaza 150 Nandritra ny Fahiranon'i Leningrad
'Indro ny ohatra velon'ny fifandraisana marina tsy misy fitaka amin'ny olon'ny vahoaka hafa! Manantena aho fa nanabe ny zanany ho tahaka ny tenany ihany izy. Tena izy marina!!'
Inona Ny Nanosika Ilay Reny Tokantena Ao Shina Namela Ny Zananivavy Ho Fatin'ny Hanoanana?
Nitomany ary nanazava tamin'ny tafatafa i Xiang Heping fa nofatorany ny zananivavy 9 taona ary noferany tsy nisakafo sy tsy nisotro rano nandritra ny enina andro ho sazin'ny tsy fianarany tsara tany an-tsekoly.
Ahoana Ny Eritreritr'ireo Mpiara-miasa Amin'ny Global Voices Momba ireo Voka-pifidianana Solombavambahoaka Tao Torkia?
"Olona maro, tafiditra amin'izany ny tsy Silamo, ireo Kiorda, ary ireo vehivavy, samy tafiditra tao amin'ny parlemanta avokoa, izay mampisy fanantenana ny hisian'ny politika feno fifanajàna, miasa ary miralenta bebe kokoa."
Nampikorontana Ny ‘Nadeshiko Japan’ Tamin'ny Fiandohan'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-tany Vehivavy FIFA Ilay Ratra Ratsy Vintana
Japana no nandrandraina fa hahazo ny Amboara Erantany vehivavy FIFA amin'ity taona ity talohan'ny naharatran'ilay mpilalao kintana tamin'ny lalao fanokafana. Mety tsy ho azon'ny Nadeshiko Japan ve izany ?
Nahazo Rariny i Cheryl Miller, Raha Notazonina Tsy An-drariny Tany Amin'ny Toerana Fitsaboana Saina
"Iray amin'ireo fihetsika lehibe tsy misy fanajàna ataon'ireo mpikambana ao amin'ny asam-panjakana, eo ambany fanarahamason'ny Ministera mifanaraka aminy."
Atena Faraghdani, Nosazian'i Iràna Hifonja 12 Taona sy Tapany Noho Ny Resaka Sariitatra
Namoahan'ny Fitsarana Revolisionera ao Tehran sazy an-tranomaizina 12 taona sy tapany ilay sivily mpankanto sady mpikatroka mafàna fo, Atena Faraghdani, noho ireo sariitatra sy fanakianana ny governemanta navoakany tao amin'ny pejiny Facebook .