Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Aogositra, 2019
Niteraka adihevitra momba ny fanehoan-kevitra malalaka ny fanamelohana ilay mpanentana amin'ny tambajotra sosialy Tiorka
Miatrika fiampangana ny olo-malaza Tiorka iray ao amin'ny Twitter noho ny fandrisihana ny fandraisana zava-mahadomelina ary niteraka adihevitra momba ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera.
Valintenin-kalozana amin'ny fampirantian-javakanto mitsapa ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Japana
Nitondra ho any amin'ny fitsikerana ny governemanta, fandrahonana ary farafahakeliny fisamborana olona iray, fihetsiketseham-panoherana avy amin'ny artista iraisampirenena ary fanontaniana momba ny fahalalaham-pitenenana ao Japana ilay fampirantiana zavakanto iray mampiady hevitra izay efa nofoanana amin'izao fotoana izao.
Malaza eo amin'ny indostrian'ny sarimihetsika ao Pakistan ny #MeToo
Herintaona taorian'ny nidiran''ilay mpilalao sarimihetsika Meesha Shafi tao amin'ny Twitter mba hiampanga an'i Ali Zafar momba ny fitondran-tena ratsy ara-nofo, iharan'ny adihevitra be indray ny indostrian'ny fialamboly Pakistaney. Tamin'ity indray mitoraka ity dia voampanga tamin'ny herisetra an-tokantrano ilay mpilalao sarimihetsika sady mpiangaly mozika Mohsin Abbas Haider ary miandry fitsarana.
Tokony hampody ny fianakavian'ireo olona nampiasain'ny ISIS ve i Trinite sy Tobago?
Trinite sy Tobago no nahitana isan'ny mpiadin'ny ISIS betsaka tany amin'ny ilabolantany andrefana. Tsy maintsy manapa-kevitra ankehitriny ny firenena raha hampody ireo niankina tamin'ny mpiadin'ny ISIS ireo na tsia.
Sokajian'i Mozambika ho heloka bevava ny fampanambadiana ankizy
Araka ny voalazan'ny fanadihadiana iray, i Mozambika no firenena faha 11 erantany manana taha ambony be amin'ny fampanambadiana ankizy.
Toa maty tany am-pitazonana azy ilay ankizivavy mpianatra nalain'ny Boko Haram an-kery
"Nanome toky ahy ny hiverenan'i Leah izy sy hoe niasa mafy ho amin'izany ny governemanta. ... Taorian'izay, nangina tanteraka satria tsy nahazo vaovao intsony momba an'i Leah izahay"
Lasa fanevatevàna ao Bolgaria ny teny hoe “karazana”
Zavatra mahazatra ao Bolgaria ny fankahalàna ny pelaka sy ireo nanova fananahana, firenena iray izay vao haingana ny governemanta ao aminy no nikisaka nanatona ny hery farany ankavanana.