Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2013
Hong Kong: ‘Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny Vehivavy No Tsia ?’
Toy ny zavatra mandeha ho azy raha ny lehilahy no mitady sipa anaty aterneto ao Hong Kong, kanefa raha ny vehivavy no manao izany, dia midika ho fikorotanan-tsaina kosa ho an'ireo filazam-baovao mahazatra.
Tsy Mahatonga Any Amin'ny Famonoana Ny Fitiavana: Fanentanana Manohitra Ny Famonoana Vehivavy Ao Kolombia
Novonoin'ny saikazany i Nataly Palacios Córdoba, 23 taona tamin'ny volana Aogositra. Niteraka fahatezerana goavana teo amin'ireo namany sy mpiara mianatra aminy izany izay nanapa-kevitra hanao hetsika "Tsy Mamono ny Fitiavana".
Ny Fanjakazakan-Dehilahy Sy Ny Fomba Fijery Tranainy Diso No Mahatonga Ny Lasibatry Ny Fanolanana Hangina
Vehivavy iray no voaolana isaky ny efatra minitra ao Meksika. Nihanasiaka kokoa ny heloka, sy ny herisetra tao amin'ny firenena taona vitsivitsy izao. Manao ny tatitra ny Fundación MEPI.
Bisikilety: Vahaolana Ho An'ny Arabe Ao Damaskaosy
Saripîka anjatony mampiseho ireo Siriana lahy sy vavy mivoy bisikilety no mameno ny tontolon'ny tranonkala. Fantaro ny antony.
Fihetseham-po Mifamahofaho Nentin'ny “Melbourne Cup”
Andron-ny fihetsehampo mifamahofaho ny 5 Novambra andron-ny "Melbourne Cup". Fandresena goavana ho an'iilay mpanazatra antsoina hoe Gai Waterhouse izay nanjary ho ny vehivavy voalohany nanazatra ny mpandresy tamin'io hazakazaka io.
Fampiharana Finday (App) Manome Fiarovana Hiadiana Amin'ny Fanolanana Ho An'ireo Vehivavy Indiana
Fampiharana Android ny Fampiharana Smart Suraksha izay mandefa antso vonjy amin'ny tsindry bokotra tokana monja
‘Ny Vehivavy Dia Tokony Hanaiky’, Sy Tolo-hevitra Hafa Mivoaka Amin'ny Karoka Google
Nanaraka ny ohatra nataon'ny vehivavin'ny Firenena Mikambana, Nanatontosa ny traikefany manokana ny Global Voices miaraka amin'ny Google "Autocomplete". Namoaka ireo fihetsika malaza eo amin'ny andraikitry ny vehivavy, ny ara-nofo, ny toe-batana ivelany sy ny fifandraisana amin'ny lehilahy ny fikarohana.
GV Face: Malala Ao Pakistana
Amin'ny fitantarana amin'ny GV Face amin'ity herinandro ity, hiresaka momba ny antony mahatonga ny fireneny mioko amin'i Malala isika. Hojerentsika ihany koa ny andraikitry ny media sosialy, izay manaratsy azy sy manaparitaka dokambarotra ratsy momba azy
Mikasika Ny Fanalàn-jaza Sy Ny Fifehezantena Amin'ny Firaisana Ara-nofo Ao Ejipta
Bilaogera iray mizara ny zavatra niainany tamin'ny nanohanany namana iray tsy maintsy nizotra tamin'ny fanalàn-jaza tao Ejipta, ny sakana atrehana ary ny fahasarotana be mety hisy.
Arabia Saodita: Nosamborina Ilay Mpanoratra Nanohana Ireo Vehivavy Mpitondra Fiara
Enina andro lasa izay dia nosamborina noho ny fanehoany ny fanohanana ny zon'ny vehivavy ao amin'ny fireneny hitondra fiara ny mpanoratra Saodiana iray. Ankehitriny ny mpiserasera no mitaky ny famotsorana azy.