· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Oktobra, 2017

Kambodza: ​​Mpitantara Antserasera Vaovao 

  26 Oktobra 2017

Araka ny tatitry ny fikarohana iray navoakan'ny Pew Internet vao haingana, tsy mihevitra ny tenany ho mpanao gazety ny ankamaroan'ny bilaogera antserasera . Matetika tsy mahavita ny vitan'ny mpanao gazety izy ireo. Ahitana ireo andian'antsafa maromaro nataon'ireo olom-pirenena nomerika izay manao ny asan'ny fampitam-baovaon'olom-pirenena ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kambodziana.

Andron'ny Vehivavy sy ny Firaisankina

Mikarakara fihaonambe mandritra ny Andron'ny Vehivavy ny vehivavy Iraniana sy ny bilaogera. Mampahafantatra antsika i Zannevesht, bilaogera & mpanao gazety Iraniana fa hisy ny fihaonambe hototonsaina ao amin'ny sampan'ny siansa sosialy ao amin'ny anjerimanontolo ao Teheran amin'ny 8 martsa. Ny lohahevitra lehibe horesahina dia ny herisetra atao amin'ny vehivavy.