Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Oktobra, 2015
Ny fahafatesan'ilay mpikatroka Trans iray no nampiseho fa mbola ela vao ho tapitra ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy
Voaresaka indray ny famonoan'olona noho ny fankahalana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy taorian'ny fahafatesan'ilay mpiadin'ny zon'ny nanova taovam-pananahana iray malaza ao Arzantina.
Tapany Roa Amin'ny Fiainana : “Tsy Ho Sahiko Velively Ny Hiaina Any Bolivia izay iainako Eto Espaina”
Ho an'i Diana, mirafitra ao anaty sary iray ny eto sy ny any, ary tsy voatery foana hilaza zavatra iray mitovy
Ny Fomba Nanosehan'ny Media Sosialy Ny Fankafizan'ireo Shinoa Ny Fandidiana Fanovàna Endrika
Mba handresena lahatra ireo tanora tovovavy marobe hiroso horasarasain'ny antsiny ka ho lasa tsara tarehy, mampiasa tetikadim-barotra matanjaka ety anaty media sosialy ny indostrian'ny fandidiana fanovàna endrika ao Shina.
Tantaran-Jazavavy Etiôpiana Nanohitra Ny Fakàna An-keriny, Sy Ny An'ireo Mpisolovava Nanavotra Ny Fiainany
Midika hoe "fahasahiana" ny "Difret" amin'ny fiteny Amharic. Sarimihetsika iray mitondra io anarana io no mitantara ny tantaran-jazavavy Etiôpiana iray izay nalainà lehilahy an-keriny mba hoterena hanaraka ny "fanambadiana" araka ny fomban-drazana.
Nitsipaka Ny Didim-pitsarana Voalohany, Namonjy Vehivavy Nijangajanga Voaheloka Hotoraham-bato Ny Fitsarana Tampony
Nandray fepetra haingana ny Fitsarana Tampony ao Maldives mba hitsipaka ny didim-pitsarana hamono ho faty vehivavy iray noho ny fijangajangana.
Famonoan-Dreniny ny Zanany, Fikasàna Hamono Tena Manasongadina Ny Enta-Mavesatra Ho an'ny Vehivavy Tajik
'Mitranga izany rehetra izany satria tsy misy fiarovana ara-tsosialy ho an'ny mponina. Misy sampan-draharaha manana andraikitra amin'izany, nefa tena tsy misy ilàna azy.'
Tsy Voasakana Ny Fivarotantena. Na Ao Anatin'i Tajikistan Fatra-Pitahiry Ny Nentin-drazana Aza
"Mba handosirana ny fisamborana dia hitady toerana lavitr'andriana ireo mpivarotena sy ny mpanjifa azy, izay ny vokany dia hampidi-doza an'ireo vehivavy ireo, satria mety hiharam-bono ry zareo,."
Fanafihana Tamin'ny Asidra Nanjo Ireo Vehivavy Iraniana, Tsy Nisy Fisamborana Herintaona Taty Aoriana
"Rehefa miezaka ny hanaraka ny raharaha nanjo ny zanakay vavy izahay dia milaza izy ireo fa handray andraikitra mikasika an'io, saingy hatreto tsy misy vaovao nomeny."
Polisy Ogandey Nanaboridana Vehivavy Avy Amin'ny Antoko Mpanohitra Teo Imasom-bahoaka
"Tsy mendrika hajaina ihany koa ny fitondrana tsy manaja vehivavy."
Mombamomba An'ilay Nahazo Ny Loka Nobel-n'ny Literatiora, Pablo Neruda, Mahatonga Adihevitra Momba Ny Fanolanana Any Shili
Ataon'ilay poeta Shiliana, Pablo Neruda, ao anatin'ny raki-tahiriny ny tantaranà fanolanana. Ankehitriny, nisy mpanakanto iray namerina namisavisa ny rai-tahirin'ilay mpanoratra tamin'ny lohateny vaovao "Mibaboka Aho Fa Nanolana."