· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Mey, 2017

Tontolo Arabo: Ratsy Dikateny Ilay Boky Momba Ireo Arabo Pelaka

Vao nivoaka dia efa nisedra olana ilay boky pelaka voalohany indrindra voadika amin'ny teny Arabo taorian'ny namoahana azy mialoha tamin'ny teny Anglisy. Mitatitra ireo fanehoankevitry ny mpitoraka bilaogy momba ilay boky Gay Travels in the Muslim World i Katharine Ganly, ny dikateniny izay niteraka adihevitra mafana.

30 Mey 2017

Arabia Saodita: Mihidy Ho An'ireo Vehivavy Mpihazakazaka Ireo Làlana

Vao haingana izay, noraràna ny fidiran'ireo vehivavy mpihazakazaka ny làlana iray any amin'ny Faritanin'i Asir (Arabia Saodita), satria heverin'ny Vaomieran'ny Fampiroboroboana ny Fahamaotinana sy ny Fisorohana ny Havetavetana ho mampidi-doza. Manopy maso ny sasantsasany amin'ireo tsikeran'ny mpitoraka blaogy mikasika ity raharaha ity i Katharine Ganly.

29 Mey 2017

Pôrtô Rikô: Politikam-Pananahana

"Hey Neny, inona izany fanalàna zaza? Efa nanao izany ve ianao? Ummm eny, ary efa nihevitra ny hanala anao aza aho. Ao anatin'ity lahatsoratra fanangonana ity, miizarazara ny hevitr'ireo bilaogera Pôrtôrikàna momba ny resaka maha-vehivavy, ny zo ara-pananahana ary ny mariazy pelaka.

24 Mey 2017