Goatemalà: Niharan'ny Fanafihana DDoS Ny Fampahalalam-baovao Namoaka Tatitra Momba Ny Fahafatesan'ireo Tovovavy

Mujeres prenden velas el 8 de marzo de 2017 en la Ciudad de Guatemala. Foto de Carlos Sebastián para Nómada. Usada bajo licencia Creative Commons.

Vehivavy mandrehitra labozia tamin'ny 8 marsa 2017 tao an-tanànan'i Guatemala. Sary avy amin'i Carlos Sebastián ao amin'ny Nómada. Creative Commons..

Ny herinandro nidinan'i Amerika Latina teny an-dalambe sy tamin'ny aterineto mba hiaro ny zon'ny vehivavy, nafàna ny adihevitry ny vahoaka tao amin'ny faritra noho ny fahafatesana tovovavy miisa 40 tao amin'ny trano fialokalofana ao an-tanàna manodidina ny tanànan'i Goatemalà.

Nitranga taorian'ny fihetsiketsehana nataon'ireo tovovavy ho fanoherana ny fanararaotana ara-nofo mitranga ao anatin'ny trano fialokalofana ny loza. Araka ny tatitra, niafara tamin'ny famoretana mahery setra ny fihetsiketsehana, nohidiana tao anatin'ny trano ireo tovovavy. Araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana, nandoro kidoro ireo tovovavy mba ahafahana handositra, saingy nohidian'ny manampahefana tao izy ireo. Tafakatra 40 ny isan'ny maty araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana sy any ivelany

Notaterina tsara manerana ny fampahalalam-baovao antserasera sy ny media sosialy ny zava-nitranga. Anisan'ny fampahalalam-baovao nitatitra izany ny NomadaGT, izay namoaka fandraketam-peon'ny fijoroana vavombelona avy amin'ireo tovovavy sasany.

Fotoana fohy taorian'ny famoahana ny fandraketam-peo, niampanga ny fanafihana DDoS (fanafihana amin'ny fandavàna tolotra) ny mpiserasera sy mpikatroka sasany, izay mpiserasera sy solosaina marobe no niezaka niditra tamin'ny tranonkala ka nipoaka mihitsy ny tranonkala tamin'ny farany noho ny habetsahan'ny mpijery tao amin'ny NomadaGT:

Ity karazana fanafihana ity dia miteraka fahaverezan'ny fifandraisana ateriento noho ny fanjifàna ny “bande passante”. Miseho ihany koa izany fanafihana izany noho ny fahafenoana be loatra ateraky ny fitaovana informatika ao amin'ny lohamilina izay tafihana:

Amin'izao fotoana izao. Tafihan'ny DDoS (fanafihana fandavàna tolotra) ny @nomadagt.

Iharan'ny fanafihan'ny DDoS reo mpanao gazety mamoaka ity tantara ity. Mitady fanampiana ara-teknika ny @nomadagt.

Hoy ny tranonkala Guatemala Shafaqna:

El portal de noticias Nómada entrevistó a dos de las menores sobrevivientes de la tragedia del Hogar Seguro Virgen de la Asunción, sin embargo, luego de publicarlos han experimentado problema en su sitio. Las declaraciones fueron publicadas en la nota Audios: una policía le dijo a las niñas que se aguantaran el fuego [itálicas nuestras] escrita por la periodista Claudia Méndez Arriaza.

Nanao fanadihadiana tamin'ireo ankizivavy roa tsy ampy taona niangana tamin'ny loza tao amin'ny Trano Fialokalofana “Vierge de l'Assomption” ny vavahadim-baovao Nómada. Saingy taorian'ny famoahana izany, nisedra olana ny tranonkala. Voalaza tao anatin'ny “Fandraisam-peo” ity fijoroana vavolombelona ity: nilaza tamin'ireo tovovavy ny polisy mba hilelaka afo”, araka ny nosoratan'ilay mpanao gazety Claudia Méndez Arriaza.

Namoaka indray ny vaovao ny fampahalalam-baovao hafa ary nilaza ny olana nahazo ny NómadaGT. Ora maro taty aoriana, rehefa niverina tamin'ny laoniny ny tolotra, nohavaozina ny filazana araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao Soy 502 :

El portal de noticias Nómada entrevistó a dos de las menores sobrevivientes de la tragedia del Hogar Seguro Virgen de la Asunción, sin embargo, luego de publicarlos han experimentado problema en su sitio. Actualmente ya están reestablecidos.

Nanadihady tovovavy tsy ampy taona roa niangana tamin'ny loza nitranga tao amin'ny Trano Fialokalofana “Vierge de l'Assomption” ny vavadiham-baovao Nómada, ora vitsy taty aoriana, nisedra olana ny tranonkala. Efa niverina amin'ny laoniny ny tolotra amin'izao fotoana izao.

Ora maro taty aoriana, niverina tamin'ny laoniny ny tranonkala Nómada GT, saingy mijanona ho zava-dehibe amin'ny fiampangana ny fanjakana Goatemalteka izay tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo tovovavy ny fanafihana fandavàna tolotra .

Raha niezaka niditra hijery ny filazana ianao nandritra ny tontolo andro, ity ny dika feno amin'izany, ao amin'ny pejy Facebook-nay. Miala tsiny izahay noho ny fahatarana.
Tsy ho afa-bela ny famonoana ireo tovovavy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.