Andro Erantany Ho An'ny Vehivavy, Nidina an'Arabe i Amerika Latina

Takelaka mivaky hoe, “Lavina ny herisetra ara-nofo.” Sary: Emergente. Sary nampiasàna ny lisansa CC 2.0 ary nahazoana alàlana.

Hetsika an'arabe sy fandraisana andraikitra avy amin'ireo mpikatroka maro no nandrandrain'i Amerika Latina tamin'ny Alarobia, taorian'ireo fanomezana toky avy amin'ireo vondrona sivily hoe hanatevina laharana ny fitokonana tsy hiasa amin'ny Andro Erantany natao ho an'ny Vehivavy. Antenain'ireo mpikarakara ny hiparitahan'ireo fampiatoana asa sy hetsi-panoherana, toy ireo hetsika roa tamin'ny Oktobra lasa teo, #VivasNosQueremos (Te-ho Velona Izahay) sy ny #NiUnaMenos (Tsy hisy iray Latsaka).

Amin'ity 8 Martsa ity, hiverina an'arabe izahay. Sary : ny hetsi-panoherana Tsy hisy iray Latsaka tamin'ny Jona 2016.

Tany Arzantina ireo hetsi-panoherana tamin'ny taona lasa no nanomboka, ho setrin'ireo andianà herisetra nitranga herinandro vitsy talohan'izay, tany amin'ny faritra maro tao amin'ny firenena, namonoana vehivavy tamin-kerisetra . Vetivety dia nihanaka tany amin'ny faritra hafa ireny hetsi-panoherana ireny. Tanaty andro vitsy, nisy hetsi-panoherana tany amin'ireo tanàna nanerana an'i Shily, Orogoay, Però, Bolivia, ary Meksika, nahitàna ireo mpanao fihetsiketsehana nihiaka teny faneva toy io ihany, ary nanentana momba ireo olana ireo ihany koa.

Tamin'ity taona ity, marobe ireo fikambanana nanerana ny faritra, ivelany sy tety anaty serasera, no nirotsaka taminà fandraisana andraikitra ho amin'ny fanabeazana vahoaka sy nanasa ny olona hanotrona ireo fihetsiketsehana nokarakaraina, sady koa nangataka tamin'ireo vehivavy mba hanatevina ilay fitokonana iraisampirenena.

Io Alarobia io, ireo vahoaka manerana an'i Amerika Latina dia hanao hetsi-panoherana ny zavamisy hoe ny faritra misy azy ireo no manana ny taha avo indrindra amin'ny famonoana vehivavy eto ambonin'ny tany. Ao Orogoay, ohatra, ampangain'ireo mpanao hetsi-panoherana ny tsy nahatontosan'ireo tomponandraiki-panjakana nametraka fiarovana tsara kokoa ho an'ny vehivavy, ary nampiakatra ny feony ry zareo hanoherana ny fitomboan'ireo vondrona ara-pivavahana sy ny tsy fiheverana ny fisian'ireo vahoaka taranaky ny Afrikàna:

A pesar de determinadas políticas públicas que podrían considerarse progresistas, denunciamos […] las barreras existentes para el acceso a la interrupción voluntaria del embarazo [Exigimos también] Reconocimiento de derechos específicos para la población afrodescendiente: Asumir en la lucha feminista la lucha contra el [racismo]. [Se necesitan] políticas descentralizadas para la población afrodescendiente reconociendo a las mujeres rurales con sus carencias particulares por el medio donde se encuentran, donde opera fuertemente la hegemonía de poder clases, raza y sexo.

Na eo aza ireo politikam-panjakana sasantsasany mety horaisina hitondra fivoarana, ampangainay […] ireo fameperana misy amin'ny fahafahana mampitsahatra an-tsitrapo ny fitondràna vohoka. [Takianay ihany koa] ny hiheverana ireo zo manokan'ireo taranaka Afrikàna: hoe ampidirina ho anatin'ny tolona manohitra ny fanavakavahana ny tolon'ireo mpiaro ny vehivavy. [Ilaina] ireo politika fitsinjaram-pahefana momba ny vahoaka taranaka avy amin'ny Afrikàna, amin'ny fanekena ireo vehivavy tantsaha mainga amin'ny filan'izy ireo manokana noho ny tontolo manodidina azy, izay manjaka be ao ny fahamboniana ara-tsaranga, foko ary ny maha-lahy na vavy.

Ao Shily, mizara ny fomba atao mba hanatevenana laharana ny fitokonana ireo mpikatroka ety amin'ny Facebook :

El grupo internacional sugiere una forma abierta de paro y nuestra labor es decidir cómo lo haremos en las distintas ciudades de Chile:
– Paro total – paro en el trabajo o en las tareas domésticas y en los roles sociales como cuidadoras durante la jornada completa
– Paro de tiempo parcial parando la producción/trabajo por 1 o 2 horas
– En caso de que no puedas parar tu trabajo: usar elementos de negro como ropa negra, cintas negras o cualquier elemento que decidas
– Boicotear las empresas que usan el sexismo en sus propagandas o en su enfoque hacia las trabajadoras

Sosokevitry ny vondrona iraisampirenena ny hanaovana fitokonana iray malalaka. Ny asantsika dia ny manapaka izay fomba hanatontosantsika azy any amin'ireo tanàna Shiliana samihafa : Fitokonana faobe mandritry ny tontolo andro — any am-piasàna na any an-tokantrao na koa any amin'izay anjara asa sosialy, toy ny asan'ireo mpikarakara marary. Fitokonana amin'ny ampahany — ora iray na roa no itokonana. Raha toa tsy vitanao ny hanatrika ilay fitokonana amin'ny tsy fandehanana miasa : mitafia akanjo mainty, na mitondrà tapa-tamba mainty, na zavatra hafa izay tianao. Ataovy ankivy ireo orinasa mampiasa ny fanavakavahana any anatin'ny dokambarotra alefany na amin'ny fomba fitondran'izy ireo ny vehivavy mpiasa ao aminy.

Ao Arzantina, hamoaka fanavaozana mikasika ilay fitokonana sy ireo hetsi-panoherana an'arabe ny vondrona Emergente ao amin'ny Facebook sy Twitter. Ny Talata, nitatitra ny  Emergente fa nanomboka mialoha ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, tamin'ny fanombohana hetsika nataon'ireo mpikatroka nitaky ny hijerena sy hanajàna bebe kokoa ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ.

#FitokonanaNasionalyIzao “Firaisan'ny mpiasa, ary ireo izay tsy tia azy ity ndeha mipitika t** any”

Ao Paragoay, mandray anjara tamin'ny fitokonana ilay fikambanana sivily momba ny media TEDIC. Tao anaty fanambaràna iray navoaka tety anaty serasera, nilaza ilay vondrona fa mety mitranga ety anaty aterineto ny herisetra atao amin'ny vehivavy, toerana izay tsy mandeha ho azy akory ny fandrisihan'ny teknolojia ny ho fahavitantenan'ireo vehivavy, hoy ilay fikambanana:

En América Latina, hombres y mujeres, aunque tienen acceso de igual a igual a computadoras y a Internet en el hogar, se diferencian en el uso […] En la industria tecnológica, la situación de las mujeres se caracteriza por la desigualdad, la sub-representación, la discriminación y el acoso sexual. […] La Web es un espacio de violencia contra [las mujeres] En Paraguay, el caso más reciente y notorio de violencia machista a través de las redes sociales […] se dio a raíz de una grave denuncia hecha por una periodista. Según ella, en la conversación un número no identificado de hombres hablan de violarla para “corregirle“ la orientación sexual. Estas son muestras de violencia que forman parte de una “cultura de la violación“. Esta cultura, que se vive cotidianamente en Internet, promueve y normaliza conceptos y actos que atentan contra la integridad de mujeres y minorías LGBTQI.

Ao Amerika Latina, mitohy ny fahafahan'ny lehilahy sy ny vehivavy miditra aminà solosaina sy aterineto any an-tokantrano, saingy ny fampiasàna azy no samihafa […] Ao anatin'ny indostrian'ny teknolojia, voafaritry ny tsy fitoviana ny toerana misy ny vehivavy, ny zara fa fahitàna an-dry zareo, ny fanavakavahana, ary ny fanaovana sotasota ara-nofo zakainy […] Toerana mahery setra ho an'ny vehivavy ny tranonkala. Ao Paragoay, ny tranga vao haingana indrindra sy be mpahalàla, raha resaka herisetra natao noho ny maha-lahy na maha-vavy tamin'ny alàlan'ny media sosialy […] dia nitranga taorian'ny fitarainana henjana iray nataonà vehivavy iray mpanao gazety. Araka ny voalazany, lehilahy maromaro tsy fantany no niresaka momba ny hanolànana azy mba “hanafaizana” azy noho ny fironana ara-nofo ananany. Ireny no fomba mahatonga ny herisetra hamboly ‘kolontsain'ny fanolànana’.  io kolontsaina io, izay manenika ny aterineto, dia mampiroborobo sy mampanara-penitra ireo fomba fisaina izay mikiky ny maha-olomendrika ny vehivay sy ireo LGBTQ vitsy an'isa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.