Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Marsa, 2018
‘Women Make the News’: Lahatahiry An-Tserasera Mampifandray ny Mpanao Gazety Amin'Ireo Vehivavy Thailandey Manampahaizana
Namoaka tranonkala iray ny UNESCO ao Bangkok hampifandray ny mpanao gazety sy mpikaroka Thailandey amin'ireo vehivavy mpampianatra ambony, na manampahefana ambony, mpikambana amin'ny governemanta, mpitarika orinasa na vondron'orinasa ary mpikatroky ny FTMF (ONG).
Bolgaria: Mpilalao Baolina Kitra Nidaroka Mpilatro
Tafintohina tamin'ny vaovao momba ny mpilalao iray ao amin'ny klioba mpilalao baolina kitra ao amin'ny firenena, CSKA, izay nidaroka mpilatro ambony Kristin Vacheva i Bolgaria.
Mpanao Gazety Vehivavy Miampanga An'ilay Rosiana Mpanao Lalàna Malaza Ho Manao Fanorisorenana Ara-nofo, Tohanan'ny Depiote Namany Anefa Izy
Mpanao gazety vehivavy telo farafahakeliny no niampanga an'i Leonid Slutsky (tononina hoe Sloo-tski), mpikambana malaza ao amin'ny parlemanta, tamin'ny fanorisorenana ara-nofo. Na izany aza, manohana azy ny ankamaroan'ireo mpiara-miasa aminy ara-politika, misy vehivavy amin'izany.
Tsy Mitsahatra Velively Ny Ady Amin'ny Fanamombàna Ao India
Tamin'ny taona 2013-14, fanamombàna 4 tapitrisa no natao tany India, ka 100.000 monja no natao tamin'ny lehilahy. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa mandany 85% amin'ny teti-bolany amin'ny fandrindrana ny fianakaviana amin'ny fanamombàna i India. Tamin'ny taona 2014, vehivavy 15 no maty tao amin'ny fanjakan'i Chhattisgarh noho ny fanamombàna tandrevaka amin'ny tobim-panjakana.
Tolona Ho Amin'ny Fahamendrehana: Zon'ny Vehivavy Ao Afghanistan
Tsy nitondra mankany amin'ny fampiharana ilay fanomezana hery tamin'ny alalan'ny taratasy.
Kyrgyzstan: Horonantsary Nataon'ny Vondrom-piarahamonin'ny Niova Sy Mpitia Mitovy Fananahana Ho Valintenin'ny Tenin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana Mankahala Azy Ireo
Ny horonantsary eo amin'ny aterineto izay namboarin'ny vondron'ny nanova na mpitia mitovy fananahana Labrys ao Kyrgyzstan ho valin'ny tenin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana mankahala ny mpitia mitovy fananahana izay voajery mihoatra ny in-409 tao anatin'ny 15 ora avy nivoahany ary izao lasa nasiana feo faharoa sy dikanteny amin'ny Anglisy.
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Tononkalo, Andininy Sasany Avy Ao Am-pon'i Persia
"Ny alahelo ato am-poko, dia tahaka ny tendrombohitra/Ny fo eo ambanin'ny tratranao, tahaka ny vato."
An-tapitrisany Ireo Nidina Eny An-dalambe Mba Haneho Fanohanana Ny Tolon'ny Vehivavy Eo Amin'ny Tantaran'i Espaina
Olona dimy tapitrisa mahery (mety ho enina tapitrisa mihitsy aza) no nanao fitokonana tany Espaina tamin'ny 8 martsa mba hampiseho ny fanohanan'izy ireo ny tolona feminista amin'ny hetsika goavana iray izay heverin'ny maro ho fotoana manan-tantara eo amin'ny ady ho amin'ny fitovian-jòn'ny lahy sy ny vavy.
Mitaky Ny Fialàn'ilay Depiote Naneho Hevitra Manohana Ny Herisetra An-tokantrano Ny Ogandey
“Amin'ny maha lehilahy, mila manitsy ny vadinao ianao," hoy ilay solombavambahoaka Ogandey Onesimus Twinamasiko nandritra ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra.
Bangladesh: Ady Amin'ny Fiverimberenan'ny Fahantrana
Raha mety ho foana amin'ny alàlan'ny asa mafy sy ny fahavononan'ny mahantra fotsiny ny fahantrana dia efa ela no foana ny fahantrana any amin'ny tany mahantra. Ireo mahantra any amin'ny tany andalam-pandrosoana no isan'ireo olona miasa mafy indrindra eto amin'ny planeta