Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Desambra, 2011
Ejipta : Vehivavy # SCAF – Iza No Handresy ??
Androany izao tontolo izao dia nifoha niaraka tamin'ny fahitana fa nameno ny lohatenim-baovao indray i Ejipta miaraka aminà sarinà miaramila midaroka vehivavy misarom-boaly ary manao izay hanalàna ny akanjony. Nermeen Edrees dia namoaka ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto mikasika ny fomba nanaovan'ny Filan-kevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana ireo vehivavy ao Ejipta.
Gresy : “Tsy Tombon-dahiny Ho An'ny Mpanankarena Irery Ny Fiterahana!”
Gazety iray no namoaka fa misy amin'ireo hopitalim-panjakana ao Gresy no nandà ny hikarakara ireo vehivavy mihetsi-jaza, satria tsy manam-bola handoavana ny saram-pitsaboana 950 euro ao amin'ny hopitaly izy ireo.Veroniki Krikoni no manao ny fanadihadiana.
Karaiba: Fisaina Ho An'ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny SIDA
Tamin'ny 1 Desambra teo ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny SIDA. Nandefa ny heviny sy ny fanohanany ho an'ny ady atrehana, atao amin'ny VIH sy ny SIDA ny mpitoraka bilaogy avy any Karaiba.
Global Voices Podcast: Teknolojia hanomezan-kery bebe kokoa ny vehivavy!
Ato isika no handre ny fomba fampiasan'ny vehivavy any Ejipta ny teknolojia hiadiana amin'ny fanorisorenana, sy izay ataon'ny tonia sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices ao amin'ny Fetiben'ny Mozilla ao Londres. Homarihantsika ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny Sida amin'ny fanomezana fitenenana ireo mpikatroka momba ny resaka VIH/SIDA any Kenya sy Ejipta momba ny asa manokana ataon'izy ireo.