Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jona, 2019
Azon'ny Kamerà: Lahatsary momba ny Zon'olombelona ato amin'ny GV
Herinandro vitsivitsy miavaka ho an'ny lahatsary GV momba ny zon'olombelona iny, koa ndeha isika hiditra avy hatrany amin'izany...
Miezaka Mafy” ny Ekipa Jamaikana ho an'ny baolina kitra Reggae Girlz hametraka tantara
Nahatsapa ny fahaizan'ilay ekipa i Cedella, ilay zanaka vavin'i Bob Marley ka nitondra ny fanohanany, tamin'ny fandresena lahatra ilay mpanazatrany Hue Menzies mba hanolotra ny fanohanany. Ankehitriny, tonga any amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an'ny baolina kitra vehivavin'ny FIFA 2019 izy ireo.
Sambany teo amin’ny tantaran’i Brezila no nisy vehivavy indizeny tafiditra tao amin’ny Kongresy nasionaly
I Joênia ihany koa no vehivavy Breziliana vazimba voalohany lasa mpisolovava ary niaro ny vahoakany tany amin'ny fitsarana ambony federaly tao Brezila.
‘Rava avokoa ny zavatra rehetra’ : Tatitra an-tsary ny faharavàna ao amin'ny tanànan'i Marawi ao Filipina
"Na teo aza ny halehiben'ny faharavàna, azo ambara ho tsy mbola nisy fanesorana natao na kely aza. Trano fonenana sy trano fiasàna goavana, kianja, eglizy sy maoske, voadaroka baomba: rava avokoa ny zavatra rehetra.."
Mina Mangal vehivavy malaza ao Afghanistan: Maty nisy nitifitra tamin'ny andro mazava
Nanantitrantitra hatrany ilay mpanao gazety malaza lasa mpanolotsaina parlemantera fa mila fiarovana izy. Tsy nisy olona tonga nanolotra izany anefa.
Lasa resaka mpiray asa koa ny fanavakavahana lahy sy vavy
(Fanamarihana. lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2006) Heveriko fa misy ny rindrina tsy hita maso ‘tsy ofisialy’ apetraka ho an'ireo vehivavy manamboninahitra. Ry zareo lehilahy no mibahana ny ankamaroan'ireo toerana...