Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Septambra, 2023
Ireo vokatry ny fanavakavahana amin'ny aterineto sy fitondrana jadona ho an'ireo vitsy an'isa
Any amin'ny ankamaroan'ny firenena, ny telo ampahefatra na mihoatra izany amin'ireo lasibatry ny fankahalana an-tserasera dia anatinà vondrona vitsy an'isa daholo, ary ny vehivavy no tena lasibatra be indrindra amin'izany.
Ao Ghana, tsy vitan'ireo vehivavy intsony ny mamahana ny zanany mandritra ilay enim-bolana voalohany
...Tsy fanapahankevitra tsotra fotsiny ny fampinonoan-dreny; io no iray amin'ireo petrabola tena fetsifetsy indrindra azon'ny firenena iray idirana mba hananganany ny firoboroboany amin'ny hoavy.
Ny tantaran'i Noof Al-Maadeed mpiaro ny zon'ny vehivavy Qatari
Nanjavona i Noof Al-Madeed , ilay mpiaro ny zon'olombelona rehefa avy namoaka andian-dahatsary maromaro tamin'ny volana Martsa nanehoany ny fanitsakitsahan'ny fiarovam-panjakana Qatari ny zony maha-sivily azy sy ny zony amin'ny maha-olombelona.
Denyse Plummer, ilay mpanjakavavy tsy nampoizin'ny calypso ao Trinidad & Tobago, mamela lovam-pitiavana, fiderana ary fitiavan-tanindrazana
"Nopotehany ny sakana ary nosokafany ny làlana ho an'ireo vehivavy mpanao calypso, tamin'ny fanehoana fa ny herin'ny feon'ny olona iray dia mihoatra lavitra noho ny maha-lah sy vavy ary ny tantara niaviana."
Voina nahafatesana olona nandritra ny lanonam-panokafan'ny Lalaon'ny Nosy teto Madagasikara
Fifanosehana mahafaty olona no nanamarika ny fanombohan'ny Lalaon'ny Nosy teto amin'ny Ranomasimbe Indiana notontosaina teto Mdagasikara raha mirotsaka ho amin'ny fifidianana kasaina ho atao amin'ny novambra 2023 ny Filoha.