Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Febroary, 2017
Nahatonga Resabe Ny Filazan'ilay Mpitsara Syriana Fa Ny Fakana Vady Faharoa No Vaha-olana Ho An'ny ‘Vehivavy Tsy Manambady’
"[Ny fitotongan'ny isan'ny lehilahy] no manasarotra ny olana ary mampisy fiantraikany ratsy eo amin'ireo zatovovavy sy ny fianakaviana, araka ny fenitra ara-tsosialy izay manaratsy ireo vehivavy tsy manambady , misara-panambadiana, na maty vady."
Ny Endriky ny Fanoherana: Mihaino ve Ianareo? Rakipeo
Ary ao anatin'ity andiany ity ianareo dia hoentina ho any India, Japàna, Aostralia, Meksika ary Trinidad sy Tobago mba hampidirana aminareo ny Endriky ny Fanoherana ao anatin'ny tontolo iray miaina ny fanontoloana.
Am-pandosirana Ny Balan-tafondron'ny Ady, Miady Amin'ny Hatsiaka Mamirifiry Ao Avaratr'i Myanmar Ireo Sivily Kachin
Efa ho olona miisa 2.000 no nitsoaka ny tànanany taorian'ny fifandonana teo amin'ny Tafiky ny Fahaleovantenan'i Kachin sy ny tafik'i Myanmar
Inona No Anton'ny Adihevitra Mafàna Amin'ny Fampisehoana Nono Eny Amoron-dranomasina Ao Arzantina?
Rehefa azo gadraina noho ny fanaovanao zavatra toy ny ataon'ny lehilahy ianao, dia tsy misy ny fitoviana.
Fanadihadiana iray Miresaka Ny Fiainan'ireo Adolantsento efa Reny ao Bolgaria
"Mazàna, tsy omena fahafahana mihitsy ry zareo mba hisafidy izay fiainany ary tavela ao anaty faribolana vetavetan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, ny tsy fananana asa ary ny fahantràna."
Nilaza Ny Mpanao Fihetsiketsehana Fa Mandrisika Ny ‘Vono Olona Noho Ny Fiarovam-boninahitra” Ny Lalàna Jordaniana Ka Tsy Maintsy Ovaina
"Misy ireo vehivavy novonoina kanefa tsy nanao fahadisoana, mampiasa ity lalàna ity ny olona mba hanamarinana ny famonoana ny vehivavy."
Ny Fifaharany Syriana : Fandraisampeo Mankany Amin'ny Lalina
Mitodika any amin'i Marcell Shehwaro hatrany isika ato amin'ny Global Voices rehefa te hahatakatra ny zava-mitranga marina any Syria.
Fanavaozana Ara-Pinoana ao Ejipta Hahafahan'ireo Vehivavy Mpananatra Hiakatra Ambony Pilipitra
Mitodika any amin'ny vehivavy ny governemanta ejiptiana amin'ny fampielezankeviny hitondrana fanavaozana ny kabary ara-pivavahana. Politika tsy nahafaly ny maro.
Tsy Hangina Intsony (#NoCallamosMás), Hetsika Hitantaran'ireo Vehivavy Ny Herisetra Mahazo Azy Ao Ekoadaoro
Tamin'ny volana Janoary, nanomboka nahazo vahana ny hetsika “No callamos más” (“Tsy Hangina Intsony”). Ezaka handrisihana ireo vehivavy hiresaka momba ny herisetra, fanararaotana sy ny fampijaliana ankitsirano iainan'izy ireo.
Hetsika #RedTikaChallenge Hanoherana ny Fanavakavahana Mihatra Amin'ny Mpitondratena Ataon'ny Vehivavy ao Nepal
"Maneho ny lokon'ny fiainana sy ny firehetam-po ny loko Mena, voaràra tsy mahazo manao MENA ny mpitondratena. Tsy marina izany. ZONTSIKA IZANY!"