· Janoary, 2014

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Janoary, 2014

Ireo Zavatra itiavako An'i Sodana Atsimo

  26 Janoary 2014

Naka ny Twitter mba hizaràna ny fitiavany ny fireneny amin'ny fampiasàny ny tenifototra #ThingILoveaboutSouthSudan ry zareo Sodane Tatsimo sy ny sakaizany. Tanaty ady i Sodana Atsimo hatramin'ny 16 Desambra 2013 taorian'ny andrana fanonganam-panjakana

Fanalàna Azy Nataon'ireo Libane Bilaogera Mikasika Ny Fandinihana Ny Fitafim-Behivavy Any Afovoany Atsinanana

Nitarika fanalàna azy naha-toran'ny hehy tety anaty serasera ny fanontaniana avy amin'ny Anjerimanontolon'i Michigan hoe “Ahoana no Tokony ho Fitafim-behivavy ao Afovoany Atsinanana Rehefa Imasom-Bahoaka”. Manankarena raha samy votoaty ilay izy ka nahatonga ny filàna lahatsoratra iray ho fanampin'ilay iray voalohany navoakanay. Rehefa nizara ilay sary niandohana tao amin'ny Twitter...

Syria: Vehivavy Afaka Ao Darayya

Nirotsaka an-tsehatra tamin'ireo fihetsiketsehana sy fisantaran'andraikitra marobe nanomboka tamin'ny fiandohan'ny fitroarana Syriana, tamin'ny lohataona 2011 ireo Vehivavy Afaka ao Darayya. Miasa any amin'ny firenena hanaovana sesitany ny tenany sy ny fonja izy ireo ankehitriny.