Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Marsa, 2017
Sazy Mampiadihevitra Manasongadina Ny Olana Amin'ny Fitoriana Ny Herisetra An-tokantrano Ao Mozambika
Tranga herisetra an-tokantrano nahazo ny zanakavavin'ny filoham-pirenena teo aloha no nalaza tao Mozambika, narahana adihevitra ny sazy azon'ilay mpiherisetra izay nahavita nanajamba ny maso ilan'ny lasibatra.
‘Girls To The Front': Ny Fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy 2017 tao Aostralia
Nasongadin'ny Aostraliana na ny zava-bita na ny zava-tsy vita tamin'ny Andro Iraisampirenena hoan'ny Vehivavy taona 2017.
Ara-dalàna ny Fanalan-jaza Ao Orogoay, Saingy Nanome Rariny Ho An'ny Lehilahy Manakana Ny Fanalan-jaza Ataon'ny Vehivavy ny Didim-pitsarana
Fihemorana ara-moraly ho an'ny vehivavy izany, satria tsy mbola tompon'ny vatantsika manokana isika. Misy ny lalàna, saingy tsy ampiharina aminao izany [...]
Governemanta Ao Azerbaijana: Raharaham-Pianakaviana!
Notendren'ny Filoha Ilham Aliyev ho filoha lefitra ny vadiny. Ary mba inona no nomen'ny olon-tianao ho anao?
Mahazo Vahana Noho Ny Kolontsaim-bahoaka Ny Fanavakavahana sy ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy Ao Kyrgyzistan
Nahatezitra ireo feminista ny fandaharana vaovao miely eo noho eo amin'ny fahitalavitra sy ny dokambarotra iray nataon'ny orinasan'ny fanamboarana.
Dokambarotra Fiokoana Anaty Akata any amin'ny Metro no Ankalazan'ny Sosialista Rosiana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy

Nampiasa ny dokambarotra fiokoana anaty akata ny vondrona mpikatroka sosialista ao Saint Petersburg mba hanehoana amin'ny tanàndehibe ny fomba hafa hamantarana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy.
Miarahaba Anareo Nahatratra Ny Andro Iraisampirenena Ho An'ny Vehivavy Izahay Goverinoran'ny Federasiona Rosiana

"Araka ny loharanom-baovao ao Kremlin, avy any amin'ny faratampony ny baiko: hankalaza ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy "amin'ny fomba hafakely" ireo governora Rosiana."
‘Tsy Misiotsioka Vehivavy intsony’ Hoy ireo Mpiasa Mpanorina Trano ao Però
Ao Però, misy ny tara-pahazavana ho an'ireo vehivavy miezaka misoroka ny sotasota eny an'arabe.
Lavin-dry Zareo Ao Karaiba ny Kolontsain'ny Fanolanana Miely Amin'ny Tambajotra Sosialy
#LifeinLeggings dia izay niainan'ireo vehivavy SY zazavavy [izay] betsaka [no] nitranga tany amin'ny fahazazàny. [..] Refaso avy amin'izany ny sivilizasiona / fandrosoan'ny firenena."