Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny Endrika 12 Ny Vehivavy Ogandey

Vehivavy Ogandey te ho tsara tarehy sy hilamina miaraka amin'ny zavaboary. Sary avy amin'i Spencer Montero, nahazoana alalana.

Tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, 8 Martsa 2017, nitantana fanentanana mampiseho ny endrika isan-karazan'ny vehivavy Ongadey ny This is Uganda (Ongada ity). Mampiasa ny tenirohy #SheRunsUg, nampiseho sary miisa 87 ahitana topi-maso ny fomba fiainan'ny vehivavy Ongandey andavanandro.

Ny This is Uganda dia sehatra ho an’ ireo mpanoratra manalentana avy ao Oganda izay vonona hilaza tantara momba an'i Oganda sy ny Ogandey, natao hanaisotra ny fitsarana an-tendrony manerantany izay manamaloka ny tantaran'ny firenena.

Araka ny fanisam-bahoaka taona 2014 avy amin'ny Biraon'ny Antontanisa Oganda, ny vehivavy no mandrafitra ny 51% n'ny mponina ao amin'ny firenena manontolo raha latsaky ny atsasaky ny fitambaran'ny mponina mpiasa kosa ny lehilahy.

Ireto sasany amin'ireo sary naseho tao amin'ny Twitter ho fankalazana ny vehivavy ao Oganda:

Ny manahirana andavanandro:

Ity ny vehivavy Ogandey. 22

Ireo izay mihantsy ny fitsarana an-tendrony:

Ity ny vehivavy Ogandey. 23

Ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fahasalamana:

Ity ny vehivavy Ogandey. 18  (Sary avy amin'i @phionap)

Rebecca Kadaga no Mpitondrateny ao amin'ny Antenimiera amin'izao fotoana izao. Nandrava ny sakana izy rehefa lasa vehivavy voalohany Filohan'ny Parlemanta izy tamin'ny Mey 2011.

Ity ny vehivavy Ogandey. 4

Phionah Mutesi, izay teraka tao amin'ny faribohitry ny mahantra lehibe indrindra ao Oganda no lasa tompon-dakan'ny lalao “echec” voalohany tao Oganda. Lohahevitry ny sarimihetsika Hollywood,  “The Queen of Katwe” ny tantarany,

Ity ny vehivavy Ogandey. 7

Mpampianatra.

Ity ny vehivavy Ogandey. 29

Renim-pianakaviana:

Ity vehivavy Ogndey. 39 (Sary avy amin'i Seyhan Arik)

Ity vehivavy Ogandey. 44 (Sary avy amin'ny y p.a.c.e onlus)

Polisy manamboninahitra:

Ity vehivavy Ogandey. 50 (Sary avy amin'i Kibuubi Media)

Tovovavy:

Ity vehivavy Ogandey. 42 (Sary avy amin'i Prossy Babirye)

Te ho tsara tarehy fotsiny izy:

Ity vehivavy Ogandey. 37 (Sary avy amin'i Spencer Montero)

Ary farany, vehivavy manandratra ambony ny sainam-pirenena Ogandey

Ity vehivavy Ogandey. 1

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.