Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2008

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Aogositra, 2008

Fanamiana Hijab amin'ny Olympika

Nizara sarin'ireo mpanao fanatanjahan-tena tamin'ny lalao Olympika izay manao Hijab ny blaogy anglisy Hijab Style. Hita ao amin'ny sary i Ruqaya al Ghasara avy ao Bahrain sy Waseelah Fadhl Saad avy ao Yemen.

Etazonia : Mitoraka blaogy mba handraisan'ny Anglikana ireo Pretra sy Eveka LGBT

Tamin'ny tapaky ny volana Jolay no natao tao amin'ilay katedraly manan-tantara ao Canterbury, ao Angletera ny fivoriam-ben'i Lambeth. Isaky ny folo taona moa no tanterahina ity fivoriam-be ity, izay hihaonan'ireo Eveka sy Arseveka manodidina ny 650 mitantana ny mpino Anglikana manodidina ny 80 tapitrisa maneran-tany. Farafahakely dia fito ny fikambanana...

Tany Arabo:Vehivavy, tokantena, handao ny akany?

Ho an'ny ankamaroan'ireo vehivavy tokantena arabo, ny hiaina sy hiasa na handranto fianarana lavitry ny fianakaviana dia safidy tsy mora atao, noho ny tahotra ny hoe “Dia inona no ho lazain'ny olona”. Manerana ny tontolo arabo, vehivavy mpitoraka blaogy maro no efa naneho ny ahiahiny mikasika ny olana sedrain'ireo vehivavy...

SIDA 2008: Ny ahiahy sy ny fanantenan'ny MSM sy ny manao anton'asa ny fananahana Afirikana

Nifarana tamin'ny 8 aogositra 2008 teo ny fihaonana momba ny SIDA 2008 (IAC) notontosaina tao Mexico. “Universal action now” na asa iarahan'ny rehetra manerantany atao izao no lohahevitra nobanjinin'ny fihaonana ary raha heverina ny fanatrehan'ny avy amin'ny vazantany efatra, ny fifantohana tamin'ireo vondron'olona nailakilaka ary ny fivoahan'ny gazety isan'andro natsaoina...

Iran: Mitondra fivavahana ambony diso fanantenana

Kamangir no mitatitra fa nalahelo (tezitra) tamin'ny ekipan'i Iran ny Mpitarika Vavaka isan-Joma tao amin'ny tanànan'ny mpivavaka ao Mashhad, dia ny Ayatollah Seyed Ahmad Alam Alhoda, satria vehivavy no nitarika azy ireo tamin'ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika.

Bahamas: Herisetra an-tokantrano

“Araka ny nolazain'ny vaovao tamin'ny radio dia ‘vokatry ny fifamaliana an-tokantrano’ no nahatonga ny fahafatesan'ilay namako Bloneva Bethel. Nahoana moa io no ‘tsy fahafatesana tsy tokony ho nitranga €vokatry ny tsy fahatongavan'ny polisy œara-potoana namaliana ny antso vonjeo tonga tany aminy?'” Weblog Bahamas no misarika ny saina amin'ity raharahan'herisetra mpitranga...

Arabia Saodita:Ny fisaraham-panambadiana, teny tsy misy dikany ve?

“Dia ho lasa teny maivana (tsy misy dikany) ve ny fisaraham-panambadiana?” hoy ny fanontanian’i 3abira Sabbel, vehivavy saodianina mpitoraka blaogy [amin’ny teny arabo], ao anatin’ny hafatra iray mandalina ny fahasamihafàn’ny vehivavy ankehitriny sy ny reniben’izy ireny, ary ny antony mahatonga ny tanora lahy sy vavy hieritreritra fa zava-mora ny manafoana...