Nandray Am-pifaliana ny Mpanjaka Saodiana ny Indoneziana Saingy Mampanahy ny Mpikatroka ny Herim-Panintonan'i Riyadh
Dikandahatsoratra

Mpanjakan'i Arabia Saodita, Salman bin Abdulaziz Al Saud. Sary: Flickr / Jim Mattis / Asan'ny governemantan'i Etazonia
Taorian'ny fiatoana 47 taona, nitsidika an'i Indonezia indray ny mpanjaka Saodiana. Nankasitrahan'ny maro tao Indonezia, izay firenena maro an'isa Miozolomana indrindra manerantany ny fitsidihana, saingy naneho ny fahatezerany ny sasany noho ny fanjakana tsy niresaka momba ny manjò ireo Indoneziana mpifindra-monina miaritra fanitsakitsahana ao Arabia Saodita.
Tonga tao Indonezia tamin'ny 1 Marsa ny mpanjaka Salman ben Abdulaziz Al Saud izay tafiditra ao anatin'ny fitetezan-tany ataony maharitra iray volana ao Azia, anisan'izany i Malezia, Brunéi Darussalam, Shina, Japana ary Maldives. Miaraka amin'ireo delegasiona miisa 1.500 ny mpanjaka, ahitana printsy 25 sy minisitra 10.
Ny fitsidihana farany nataon'ny mpitondra Saodiana tao Indonezia dia nandritra ny fitondran'i Faisal bin Abdulaziz Al Saud.
Noraisin'ny filoha Indoneziana Joko Widodo (Jokowi) ho mpiambina ny tanàna rmasina Islamika roa ao Lameka sy Medina ny mpanjaka Salman.
A post shared by Joko Widodo (@jokowi) on
Mirehareha i Indonezia mandray ny fahatongavan'ny mpiambina ny Tanàna Masin'i Lameka sy Medina, Ny Mpanjaka Salman bin Abdulaziz al-Saud, eto Indonezia.
Nampiseho ny mpanjaka Saodiana tamin'ny lahatsary bilaogy ihany koa i Jokowi. Nanipika izy fa hitarika any amin'ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Indonezia sy Arabia Saodita ny fitsidihana manan-tantara.
Fiarovana ireo mpiasa Indoneziana ao Arabia Saodita
Nandritra ny fitsidihan'ny mpanjaka Saodiana, fifanarahana 11 momba ny fiarahamiasa ara-kolontsaina, varotra sy fampiasam-bola, siansa, ady amin'ny heloka bevava ary raharaha Islamika no nosoniavin’ i Indonezia sy Arabia Saodita.
Nanontany ny antony nahatonga ny governemanta Indoneziana tsy niresaka momba ny olana amin'ny fiarovana ny mpiasa Indoneziana any Arabia Saodita, na izany aza ireo vondrona sendikaly.
Nijanona nandefa mpiasa tany Arabia Saodita i Indonezia tamin'ny taona 2011, noho ny fampijalian'ireo mpampiasa ny mpifindra monina miasa ao amin'izy ireo. Na dia teo aza ny fandraràna, mbola nanohy niditra tao amin'izany fanjakana izany ihany ny Indoneziana mba hiasa ho mpanampy an-trano tsy ara-dalàna, mahatonga azy ireo vao maika mora iharan'ny fanararaotana isan-karazany.
Araka ny filazan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Indoneziana ,Indoneziana maherin'ny 630.000 no miasa ao Afovoany Atsinanana, anisan'izany i Arabia Saodita. Ary mety hiakatra io tarehimarika io raha ampidirina ny isan'ireo mpiasa tsy manana taratasy sy lasibatry ny fanondranana tsy ara-dalàna
Nisy ny fihetsiketsehana milamina teo anoloan’ ny masoivoho Saodiana izay nokarakarain’ ireo mpikatroka nandritra ny fitsidihan’ ny mpanjaka Saodiana. Nitaky fiarovana ny zon'olombelona tsara kokoa ho an'ireo mpiasa Indoneziana any Arabia Saodita izy ireo satria mbola sokajian'ireo mpampiasa mpanararaotra sasany toy ny kaffallah (fananana) ny mpiasa an-trano.
Presiden Jokowi Dinilai Tak Peduli Perlindungan TKI https://t.co/q8dROf72IM pic.twitter.com/G5H36qgOS8
— FSPMI KSPI (@FSPMI_KSPI) March 3, 2017
Tsy dia nifantoka tamin'ny fiarovana ireo mpiasa mpifindra monina Indoneziana ny filoha Jokowi.
Ho setrin'izany, nilaza ny fanjakana Indoneziana fa nandritra ny resadresaka teo amin'i Jokowi sy ny mpanjaka, noresahana ny olana momba ireo Indoneziana mpiasa mpifindramonina. Voalaza fa nanome toky an'i Jokowi ny mpanjaka Salman fa handray ireo mpiasa Indoneziana ho toy ny vahoakany manokana.
Saudi Arabia and Indonesia must follow up Salman and Jokowi's talk with technicalities on migrant workers protection https://t.co/RugOOvFNWt
— Andreas Harsono (@andreasharsono) March 2, 2017
Tsy maintsy manaraka ny resak'i Salman sy Jokowi amin’ ny lafiny ara-teknika mikasika ny fiarovana ireo mpiasa mpifindra monina i Arabia Saodita sy Indonezia
Wahhabisma ao Indonesia
Noresahan’ ireo mpiserasera nandritra ny fitsidihan'ny mpanjaka Saodiana ihany koa ny fitomboan'ny mahery fihetsika ao Indonezia. Fantatra amin'ny fandeferany eo amin'ny ara-pivavahana i Indonezia amin'ny ankapobeny, na dia lasa mavitrika kokoa tao anatin'ny taona vitsivitsy aza ireo Miozolomana hiringiriny tamin'ny alalan'ny fanoheran'izy ireo ny governemanta ankehitriny, izay ampangain'izy ireo fa malemy tsy mahavita miaro ny Silamo. Nanao antso ihany koa izy ireo mba hametraka kalifà Islamika ao amin'ny faritra.
Nandritra ny kabariny teo anoloan'ny loholona sy mpanao lalàna Indoneziana, nandrisika fiarahamiasa akaiky kokoa mba hiadiana amin'ny fampihorohoroana sy ny mahery fihetsika ny Mpanjaka Salman .
#RajaSalman mengajak Dunia bersatu & bertekad memerangi ekstremisme & terorisme, itu sebabnya meng-Haji-kan keluarga dari Densus88 yg gugur
— Hans P Siagian (HPS) (@HansPSiagian) March 2, 2017
Miantso firaisankina sy fahavononana manerantany mba hiady amin'ny mahery fihetsika sy ny fampihorohoroana i #RajaSalman (Mpanjaka Salman), noho izany, handefa ireo fianakaviana ao amin'ny Densus88 rava (tafika manokana Indoneziana miady amin'ny fampirohoroana) any amin'ny Haj fivahiniana masina izy.
7. Oleh karenanya, segala bentuk radikalisme dan ekstremisme disebut @KingSalman sangat penting untuk ditanggulangi #RajaSalman pic.twitter.com/5yoMTwTjG9
— Kantor Staf Presiden (@KSPgoid) March 4, 2017
Noho izany, zava-dehibe ny miresaka momba ny radikalisma sy ny extremisma, araka ny nolazain'ny mpanjaka
Nanatontosa fivoriana miaraka amin'ireo mpitarika ara-pivavahana ao Indonezia ihany koa ny mpanjaka sy ny manodidina azy.
Saudi belajar pluralisme dari Indonesia. Kita belajar Wahabisme dari Saudi. Impas. 😂 https://t.co/t1TOFFaRTh
— Berbagi Cerita (@idetopia) March 4, 2017
Nianatra ny fahamaroan-kevitra tao Indonezia ny Saodiana. Nianatra ny wahabisma tamin'ny Saodiana isika. Mitovy isika
Na dia teo aza ny fandraisana tsara nampandrosoana ny mpanjaka Saodiana, mbola miahiahy amin'ny fitomboan'ny Wahhabisma ao Indonezia ny sasany;
Ara-tantara, nitranga nandritra ny vanim-potoana fanjanahantany Holandey ny fahatongavan'ny Wahhabisma raha nandray fitaovam-piadiana hiadiana amin'ny governemanta mpanjanaka Holandey ireo mpitarika Miozolomana.
Saingy nahazo vahana ny fandikàna henjana ny Wahhabisme tamin'ny taompolo 1980 tamin'ny fampidirana ny sekolin'ny kolontsaina sy ny teny vatsian'ny Saodiana ara-bola. Ankehitiny, mitambatra ireo Miozolomanana mahalala oniny ao Indonezia mba hiadiana amin'ny fihanaky ny fivavahana Wahhabi sy ny Salafista tafahoatra.
Wahabi bukanlah wajah Islam yg kita inginkan. Dengannya Islam tampak tdk kompatibel dg kemanusiaan dan peradaban abad 21.
— savic ali (@savicali) March 5, 2017
Tsy ny Wahabi no endriky ny Islamo tianay (Indoneziana). Amin'izy io, toa tsy mifanaraka amin'ny maha-olombelona sy ny sivilizasiona taonjato faha-21 ny finoana Silamo.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...