Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2015
Espaina: An'arivony Manao Diabe Manohitra Ny Herisetra Atao Noho Ny Fasahamihafàn'ny Lahy sy Vavy
Na dia amin'ny fotoana toy izao aza, aorian'ny fampisehoana fanohanana avy amin'ny vahoaka, zara raha afaka mankalaza fanohanana ireo mpiaro vehivavy. Andro vitsy aorian'ny fanoherana faobe mantsy, mirangaranga sahady ireo antontanisa momba ny heloka bevava.
Vehivavy Nomena Voninahitra Noho Ny Zavabitany Ho An'ny Fanatanjahantena
Notoloran'ny Kaomity Olaimpika Iraisampirenena (IOC) fankasitrahana ireo olomalaza sy fikambanana izay nanampy nampivoatra sy nampiroborobo ny fandraisana anjaran'ny vehivavy amin'ny sehatra rehetra eo amin'ny fanatanjahantena
Aiza Ny Hatezerana Noho ilay Fanolanana Faobe Tao Sodàna Atsimo Rotiky Ny Ady?
Tsy anavakavahana ireo fanafihana ara-nofo feno herisetra. Lasa ampiasaina ho fitaovam-piadiana amin'ny ady ny fanolanana any amin'ny ady an-trano amin'ilay firenena.
Emirà: Vehivavy Tokantena Ianao Saingy Mbola Te-hanana Zaza Iray
“Na ireo olona manambady aza, tsy miresaka momba ny fananganana zaza. Resahako izy io satria manana hafatra ho an'ny fiarahamoniko aho…[ny fananganana] dia zavatra tena manan-danja tokony ho eken'ny fiarahamonina..”
Fitakiana Fanesorana Ny Filohan'ny Antenimiera Ao New Zealand Noho Ny Resaka Sotasota Ara-nofo Manàla Baràka
"Mora ny tsy manisy vidiny ny fanolànana, fa in-jato sarotra kokoa ny miroso hatrany #SackTheSpeaker #HoldKeyAccountable"
Oviana Ianao No Niharan'ny Herisetra Ara-nofo Voalohany? Manohitra Ny Herisetra Antserasera Ny Vehivavy Breziliana
Miha-feno fanehoan-kevitra feno fankahalana ny tambajotra sosialy. Ity tranga manaitra ity, na izany aza, dia efa notoherin'ireo vondrom-behivavy tia mamorona, tsy misolelaka, tia fandaminana sy mavitrika ao amin'ny aterineto ihany koa.
‘Ahoana no Inoantsika Hoe Tsy Anjarantsika Rahampitso?': Fahafahambaràka Amin'ny Fitorahana Ilay Tovovavy Afghana 19 Taona‘
"Rehefa mahita ny lahatsary fitoraham-bato an'i #Rokhshana ianao, mankahala tena amin'ny maha lehilahy anao ianao, mankahala tena amin'ny maha olona anao ianao."
Ny dokambarotra mampifamadika ny lahy ho vavy nataon'ny Shiseido
Namokatra dokambarotra mampifamadika ny lahy ho vavy izay nahafanina mpijery ny orinasa Japoney mpamokatra fitaovana fikojakojana tarehy.
Tazonin'Ireo Akanjo Mena Ho Velona Ny Fahatsiarovana Ireo Vehivavy Aborizena Tsy Hita Sy Maty Novonoina Tao Kanadà
Mikatsaka fisarihan-tsaina momba ny tsy rariny manoloana ireo vehivavy Aborizena ao Kanadà ny Fametrahana ila tetikasa zavakanto, REDress: manodidina ny 1.200 ireo vehivavy Aborizena novonoina na nanjavona nanomboka ny taona 1980.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...