Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Oktobra, 2014
Fahatsiarovana An'i Hazel Ward-Redman ilay Olo-Malaza Mpisava Làlana Ny TV Tao Trinidad & Tobago
Nodimandry i Hazel Ward-Redman, izay nanasongadina ny talenta ara.javakanto sy mozikan'ireo tanora ao Trinidad sy Tobago tamin'ny alàlan'ny fandaharany tao amin'ny fahitalavitra. Maneho fanajàna azy ireo taizany sy ireo mpankafy.
Sazy Ara-drariny Sa Be Fampindram-po Loatra? Nahazo Sazy 5 Taona An-tranomaizina i Oscar Pistorius
Nivoaka taorian'ilay didy manameloka higadra 77 taona ilay mpihaza Tokatandroka iray tamin'ny Jolay, ilay didim-pitsarana, nanameloka ilay atleta Afrikana Tatsimo voaheloka ho namono an'i Reeva Steenkamp.
Mahatsiaro An'i Mahsa Shekarloo, Nitondra Voalohany Ny Aterineto Tany Irana Ary Mpitaky Ireo Zon'ny Vehivavy

Maty ny 5 Septambra 2014, nodidinin'ireo fianakaviany, i Mahsa Shekarloo, mpikatroka mafana fo miaro ireo zon'ny vehivavy Iraniana ary mpanorona ny Bad Jens, gazety hita ety anaty aterineto miaro ny vehivavy. Manome voninahitra ny fiainany isika ato amin'ity lahatsoratra ity.
Afaka Ho Raràna Tsy Hividy Toaka Ve Ireo Vehivavy Ao Myanmar?
Ny tahan'ny fisotroana toaka ao Myanmar no ambany indrindra any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanan'i Azia, maro anefa ny resaka fa miova izany ankehitriny. Voatatitra fa miady hevitra amin'ny fandraràna ireo vehivavy any amin'ny faritra sasany tsy hahazo hividy toaka ireo manampahefana.
Hiady hevitra Momba Ny Lalàna Mandrara Ny Tomboka Vatsa Amin'ny Lamosin'ny Vehivavy Ireo Mpanao Lalàna Rosiana

Tsy zava-baovao any Rosia ny fizahozahoan'ny lehilahy sy ny fankahalàna ny fifankatiavan'olon-droa mitovy fananahana, saingy sarotra ny minia tsy hijery fa miaraka tanteraka amin'ny firehana manohitra ny fiovàna ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ilay ezaka vaovaon'ny Domà mba hiarovana ireo vehivavy amin'ny tomboka vatsa.