· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2018

Holandy: Tafaray ireo vehivavy am-pielezana Amerikana Latina

  30 Novambra 2018

Nikarakara fihaonambe ho an'ireo vehivavy mpifindra monina Amerikana Latina sy Karaiba any Amsterdam ny fikambanana Eoropeanina DiasporaSolidaria.org, izay nifanakalozany hevitra toy ny zon'izy ireo, ny toetra miovaova amin'ny fianakaviana sy ny fandaniana. LA Ruta mitondra antsika lahatsary fohy mandrakitra ny sasantsasany amin'ny zavatra niainan'izy ireo.

Fiarahaban'ny vehivavy!

  30 Novambra 2018

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

Japana: Ny Ankizy amin'izao Fotoana

  22 Novambra 2018

Inona no ataonao rehefa mankaleo anao ireo ankizivavy tanora manao toy ny any an-tranony anatin'ny fiarandalamby nefa ianao reraka avy any am-piasàna ary mba te hiaina fotsiny? Tofoka tanteraka ity lehilahy iray 35 taona tao Yokohama ka nandaka ankizivavy 17 taona iray nipetraka sy niresaka tamin'ny namany teo akaikin'ity rangahy.