· Febroary, 2016

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Febroary, 2016

Porto Rico : Vehivavy Dominikàna Mampiaina Indray Ny Vohitr'i Santurce Ao San Juan

  25 Febroary 2016

Ara-tantara dia mifamatotra amin'ny vohitr'i Santurce ny vondrom-piarahamonina Dominikàna, iray amin'ireo vohitra isan'ny tena malaza indrindra ao San Juan, renivohitr'i Porto Rico. Na dia zara raha misy mpahalala aza ny zavatra entin'ireo Dominikàna amin'ny fampivoarana an'i Porto Rico. Hanoherana an'izany, Ernesto Beltrán, izay nanoratra tao amin'ny El Post Antillano, dia mampitaha ny vehivavy dominikàna amin'ireo mpisava làlana

Fotoam-pitsaràna Iray Manantantara Ho An'ireo Vehivavy Ao Goatemalà

  21 Febroary 2016

Ao Goatemalà, ezaka ataon'ireo vehivavy maya-q'eqchie's ny hanamelohana ireo miaramila tomponandraikitra tamin'ny herisetra ara-nofo sy ny fitondra tsy mendrika ny maha-olona, feno habibiana ary manetry nanjo azy ireo teo anelanelan'ny 1982 sy 1983, nandritry ny ady anatiny mitam-piadiana tao amin'ny fireneny.