Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jolay, 2014
Nakaton'ny Manampahefana Ao Bangladesh Ny Trano Iasan'ny Mpivaro-tena Nijoro Efa Ho 200 Taona Izao, Mpivaro-tena An-jatony No Voaraoka Tamin'izany
Fanerena avy amin'ireo mpitarika fivavahana sy mpanao politika kaonservativa no antony ilazana fa mahatonga ny fanakatonana ny tranon'ny mpivaro-tena ao Bangladesh. Saingy niampanga ireo manampahefana ao an-toerana ho maka tany an-keriny kosa ny fikambanana nasionalin'ny mpivaro-tena ao Bangladesh.
Miady Amin'ny Fanorisorenana an-Dalambe ao Buenos Aires ny AtréveteBA ao amin'ny Hollaback
Asehon'ny haba-tranonkala ao amin'ny sarintany iray ireo faritra iverimberenan'ny fanorisorenana an-dalambe matetika sy ny tantara manokana avoakan'ireo lasibatra.
India: Gazety Ao An-toerana Vokarim-Behivavy
Gazety iray nahazo ny loka BOBs, vokarina ao an-toerana ary any ambanivohitra ny Khabar Lahariya, atao amin'ny fiteny eo an-toerana, ary vehivavy 40 no mampihodina azy. Mba hahalalàna misimisy kokoa dia niresadresaka tamin'ny mpandrindra ny famoahana ao aminy, Poorvi Bhargava , izahay.
Malaza Noho i Messi Ity Tovovavy Mpilalao Football Ity Any Amin'ny Tanàna Kely Lavitra Andriana Misy Azy ao Nepal
Sunakali no nitondra ny ekipany ho any amin'ny fandresena tamin'ny fifaninanam-pirenena amin'ny football vehivavy. Rehefa tonga an-tanindrazana ry zareo dia notsenain'ny tao an-tanàna tao amin'ny fitodian'ny fiaramanidina tamin'ny hiaka hoe, "Sunakali, tahaka an'i Messi!"
Sary 4 Ahitana Ny Zavakanto Andalambe Nataon'ilay ‘Banksy Iraniana’ Manandra-Peo Amin'ny Fiainana Ankehitriny any Iran
Nalaza tao amin'ny media sosialy ny asan'ilay tsy fantatra anarana Black Hand . Maneho hevitra tsindraindray amin'ny tranga any Gaza sy ny lohahevitra manahirana any Iran, tahaka ny zon'ny vehivavy ny sarin'ilay artista.
Mitarika Ireo Mpianatra Baloutche Amin'ny Fitakiany Ny Fahaleovantena Amin'i Pakistana Ity Vehivavy Ity
Miatrika fanamby maro ireo vehivavy ao Baloutchistan, isan'izany ny fiarahamonina izay manome lanja mavesatra ny raim-pianakaviana ka anjakan'ny lehilahy, ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa ho an'ny fampianarana sy ny haivan'ny taham-pahaizana mamaky teny sy manoratra eo amin'ny vehivavy.
Zavatra Dimy Tsara Fantatrao Amin'ny Mariazy Turkmen
Raha mieritreritra an'i Turkmenistan ho toy ny tany tsidihana ijerena mariazy ianao, dia tokony hahalala zavatra iray - raha hankalazan mariazy ry Turkmen dia aza mitsabatsabaka ao.