Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jolay, 2010
Korea Atsimo: Fisaonam-pirenena noho ny fahafatesana vady andefimandry Vietnamiana iray
Maty novonoin'ny vadiny Koreana ny vady andefimandriny tanora Vietnamiana iray tany Korea. Maneho fiaraha-mioriny noho ity fahafatesana mahatsiravin'ity vady andefimandry tanora ity ireo mpitoraka blaogy Koreana, sady manao antso avo amin'ny governemanta mba hanaraka ny fanajàna zon' olombelona ny fahazoana ireo vady andefimandry avy any ivelany .
Mitady mihoatra noho ireo teny filamatry ny fifidianana ireo Aostraliana
Telo ambiniroapolo andro katroka taorian'ny nialan'i Kevin Rudd, niantso fifidianana faobe amin'ny 21 Aogositra ny praiministray Julia Gillard, ny "ranga"-ntsika (menaloha). Mitady ventin-javatra tsy ahodina fotsiny amin'ity fampielezan-kevitra ity ny tontolon'ny blaogy Oz .
Brezila: Herisetra mianjady isan'andro amin'ny vehivavy
Any Brezila, vehivavy 10 isan'andro no maty misy mamono. Ilay famonoana vehivavy tsy ela akory izay, nataon'ilay eritreretina ho rain-janany, sady mpiandry tsatokazo Breziliana tokony hanana ny hoaviny, dia nanainga adihevitra mikasika ny herisetra atao amin'ny vehivavy teo amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy.
Ejipta: Ireo lehilahy sy vehivavy tsy tokony hifanomezanao fotoana
Izay natomboky ny Ejiptiana iray mpitoraka blaogy tao amin'ny Twitter ho toy ny fandinihana fotsiny ihany momba ny vehivavy tsy tokony hifanomezanao fotoana dia namadika ity sehatry ny fitoraham-bolongana kiritika ity ho tanin'ady. Tweets maro avy any Ejipta sy avy amin'ny lafintany rehetra no niditra an-tsehatra nanampy ireo mpifanandrina. Mitatitra izany avy any ambava-ady i Tarek Amr.
Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora
Tamin'ny faha-17 Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora
Maraoka: “Mbola mipetraka ao amin'ny tranon'ny raiamandreniko ” hoy ny tovovavy antitra iray efa 40 taona
Iray amin'ireo vehivavy Marõkana telo no tokantena. Maneho ireo fanadihadiana fa misy ifandraisany betsaka amin'ny halafosana ara-toekarena izy ity , ny tsy fahampian'ny fampianarana, ny tsy fisian'ny demokrasia . Mbola mipetraka amin'ny tranon-draiamandreniny i Samira vehivavy tokantena 40 taona. Mizara ireo traikefany iainany isan'andro izy eo amin'ny blaoginy .
Indonezia: Rehefa ny vehivavy no mifehy ny fampiasam-bolany
Resaka nandeha avy hatrany mikasika ny fitantanana orinasa sahanin'ny vehivavy, ny fahazotoana sy ny fampiasam-bola miaraka amin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny serasera anaty aterineto Resadresaka Hanatsarana ny Tany, mizara ohatra avy any Indonezia i Carolina.
Philippines: Ny hevitry ny mpitoraka blaogy momba ny fanabeazana mikasika ny firaisana ara-nofo
Eo am-pampiharana ny fandaharam-pianaran'i Etazonia taloha izay naverina indray momba ny fanabeazana ara-pananahana ho an'ny ankizy sy ny tanora, eny amin'ny sekolim-panjakàna, ny Governemanta Filipiana amin'ity taom-pianarana ity na dia naneho fanoherana goavana an'io fandaharam-pianarana io aza ny Fiangonana Katôlika. Nanadihady mikasika izany ny mpitoraka blaogy.