Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2019
Bolivia : aty anaty aterineto ilay chola feminista no manohy ny tolony
Hatrany amin'ny fahazazàny i Yolanda Mamani, feminista chola no efa nanomboka niaro ny zony. Ankehitriny, ireo fandranitana sy vava be fanaony dia re anaty onjampeo, ao amin'ny bilaoginy ary anaty Youtube.
Fanoherana ny herisetra an-tokantrano, nidina an-dalambe sy nampiasa ireo tambajotra sosialy ny vehivavy azerbaijana
Lasa adihevitra nanerana ny firenena ny tantaran'ny herisetra an-tokantrano niainan'ny tovovavy iray
Iza i Eva Copa, ilay zara raha fantatra nefa nanampy nanokatra ny làlan'i Bolivia ho any amin'ny fifidianana vaovao?
Tsy betsaka no mahafantatra an'i Eva Copa, saingy izy no filoha vaovaon'ny antenimieran-doholona boliviàna. Izy no endrika iray fototra nitondra ny firenena hiroso taorian'ireo hetsipanoherana.
Fahafatesan'ilay niharan'ny fanolanana tambabe tao Delhi, niteraka fiaretantory nanerana an'i India
Maty tamin'ny 29 Desambra 2012 tao amin'ny hôpitaly tao Singapour ilay niharan'ny fanolanana tambabe tao New Delhi.. Nantsoina hoe 'Sabotsy Mainty' ilay andro ary olona marobe avy amin'ny lafivalon'ny firenena no tonga nanohitra ity tsy rariny ity.
Antso fanairana sa fanambaniana? Mampizarazara hevitra ny Tiorka ny dokambarotra momba ny salakam-behivavy
Niteraka adihevitra be ny dokambarotra iray nataon'ny marika salakam-behivavy ao Torkia
Miatrika fanadihadiana ilay mpanoratra Maleziana rehefa avy namoaka boky momba ny fanapaha-keviny tsy hitafy hijab
"Zava-dehibe ho antsika ny mampahatsiahy ny governemanta fa tsy heloka ny fahalalahana maneho hevitra ary tsy fanevatevana ny Islamo ny fahalalahana ara-pinoana."
Tanora te-hanampy ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania amin'ny alàlan'ny fampiharana vao noforoniny
Fampiharana iray mampifandray ireo efa sisampatin'ny herisetra an-tokantrano aminà toeram-pialofana, ny polisy ary ireo vondrona mpanohana.
Nandao an'i Arabia Saodita mitondra tantara manafintohina marobe ireo Bangladeshita mpiasa an-trano mpifindra monina
Vehivavy mpiasa an-trano 900 no niverina nody avy any Arabia Saodita tamin'ny taona 2019, sady miampanga ny mpampiasa azy ireo noho ny fanararaotana ara-batana sy ara-nofo ary efa 100 mahery no namoy ny ainy.
Fanentanana iray manohana ilay mpilalao sarimihetsika Pakistaney Rabi Pirzada taorian'ny nivoahan'ny sariny mitanjaka
Mampiseho ny fomba hamelezana manokana ny olona amin'ny fahalalahany maneho hevitra ao Pakistan ny tranga nahazo an'i Rabi Pirzada.
Nosamborina ilay mpikatroka Trinidadiana mitaky ny famelana ny fampiasana rongony ho fitsaboana
Tamin'ny 18 Oktobra 2019, nijoro teo amin'ny sisin-dalana ivelan'ny parlemantan'i Trinite sy Tobago ilay mpikatroka Nazma Muller mba hanohy hanery ny governemanta hampihatra ny lalàna misy momba ny rongony marijuana ho an'ny fitsaboana.