Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2012
Hain-trano-na Orinasa Nahafaty Olona Tao Bangladesh Mampiseho Ny Fampiasana Mpiasa Tsy Ara-drariny
Nampametra-panontaniana marobe ny hain-trano mahatsiravina izay nahafatesana mpiasa maherin'ny 110 tao amin'ny orinasa fanenonan-damba ao Tazreen Fashions Ltd, tranobe rihana faha-sivy ao Nischintapur, Ashulia (akaikin'ny renivohitra Dhaka). Na dia manana fitaovana mpamono afo...
Mankalaza Ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Tsy Mitovy Amin'ny Tena i Ekoatora
Taminà hetsika ara-kolontsaina maro samihafa no nankalazan'i Ekoatora ny Andro iraisampirenena ho Fanafoanana ny Herisetra atao amin'ny vehivavy. Naneho hevitra mikasika izany koa ireo Ekoatoriana mpisera amin'ny aterineto ka isan'ireny ireo vehivavy marobe manerana ny firenena.
Vehivavy Afro-breziliana, Ngita Volo Sy Fahatsiarovantena Mainty
“Afaka asarakorako ny volo rehefa handeha hianatra, saingy tsy tiako. Satria lasa maina ary manjary ratsy tarehy be. Ratsy be ny voloko”. Ankizivavy kely no nilaza toy izay tao amin'ny...
Miteraka Adihevitra Momba Ny Herisetra An-tokantrano Ao Zimbaboe Ny Daroka Nanjo Ilay Vehivavy DJ Aminà Onjam-peo
Nanainga adihevitra mikasika ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao Zimbaboe ny daroka nahazo ilay DJ malaza aminà fampielezampeo iray nataon'ny sipany azy. Ny sarin'ny tavany nivindimbindina dia sady noderaina no voakiana koa tety anivon'ny tambajotra sosialy, ary nitondra ny fifantohan-tsaina ho amin'ny olana sosialy goavana tsy mitsaha-mitombo ao Zimbaboe.
Miatrika Sazy Henjana Kokoa Ireo Mpaka Vady An-keriny Ao Kyrgyzstan
Na dia heloka aza ny fakàna vady an-keriny ao Kyrgyzstan, dia mbola betsaka ireo lehilahy manohy maka an-keriny ireo tovovavy iriany ho vady. Vao tsy ela akory izay,namoaka lalàna ireo parlemantera tao Kyrgyz noho ny tery vay manta nataon'ireo fikambanam-behivavy. Ary ankehitriny ny fakàna an-keriny tovovavy sy ny fanerena azy ireo hanambady dia heloka be vava mitovy amin'ny halatra ondry iray ihany koa .
Iharan'ny Fanararaotana Ireo Ankizy Eny An-dalambe Ao Bangladesh
Raha mihitsoka mandritra ny minitra vitsy anatin'ny fitohanana ao andrenivohitr'i Bangladesh, Dhaka ianao, dia mety hahita ankizy mihazakazaka mamonjy ny varavarakelin'ny fiaranao. Mitondra voninkazo ny sasany amin'ireo ankizy; ny sasany kosa mihazona...
“Latinitas,” Mampavitrika Ny Tanora Latina Amin'ny Fampiasana Teknolojia
Soa fa tsy nifarana hatreo ny hevitra tsara rehetra noresahana tany an-dakilasy. Tamin'ny taona 2002, nanomboka namorona gazetiboky mifantoka amin'ny traikefa ananan'ny tanora Latina i Laura Donnelly sy Alicia Rascó...
Fankalazana Ny Andron'i Malala Sy Fanangonan-Tsonia An'Arivony Hahazoany Loka Nobel
15 taona i Malala Yousafzai notifirin'ny mpikambana ao amin'ny TTP tamin'ny 9 Oktobra 2012, izay mihasitrana tsikelikely. Ny 10 Novambra 2012, nankalaza an'i Malala ho toy ny jirobe ho an'ny zazavavy 32 tapitrisa tsy afaka mankany an-tsekoly ny olona manerana izao tontolo izao.
Afef Abrougui, Mitoraka Bilaogy Avy Any Tonizia
Afef Abrougui, mpandray anjara amin'ny Global Voices any Tonizia, miresaka amintsika mikasika ny traikefany mikasika ny fihetsiketsehana izay niseho teo amin'ny fireneny tamin'ny 2011 ary ny zavatra andrasany amin'ny hoavy tsy ho ela mikasika ny politika Toniziana. Zarainy amintsika ihany koa ny sasany mikasika ny fiainany andavanandro sy ny zavatra ataony.
Goiana: Mampitroatra Ireo Mpisolovava Mpiaro Amin'ny Herisetra Ny Seho An-tsehatr'i Chris Brown Hatao Atsy Ho Atsy
Tamin'ny 2009, rehefa niely ny vaovao fa nidaroka an'i Rihanna, mpihira teratany Barbadiana manga feo ny olon-tiany tamin'izany fotoana, Chris Brown, dia tezitra ireo mpitoraka bilaogy tao Karaiba. Ny firesahana momba ny seho an-tsehatr'i Chris Brown any Georgetown hatao atsy ho atsy dia mahatonga ireo mpitoraka bilaogy hiresaka mikasika ny hafatra mampidi-doza entiny eo amin'ny herisetra atao amin'ny miralenta.