· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jolay, 2017

Iran : Fiakaran'ny vidim-piainana sy ny Voatabia

  27 Jolay 2017

Matetika lavin'ny fitondrana ny fiakaran'ny vidim-piainana, ary manome antoka mihitsy aza izy ireo fa zavatra foronon'ny vahiny sy ny haino aman-jery izany. Saingy nandritra ny volana vitsy lasa, haingana sy goavana loatra tsy mbola nisy tahaka izany tao Iran ny fiakaran'ny vidim-piainana.

Kenya : Maty i Echo, Ilay Reniben'ny Elefanta Ao Amboseli

  24 Jolay 2017

Maty i Écho, reniben'ny elefanta ao amin'ny Valan-javaboarin'ny Amboseli izay malaza eto amin'izao tontolo izao, araka ny fiheveran'ny Amboseli Trust for Elephants (ATE) azy dia noho ny fahanterany sy ny vokatry ny hain-tany izay namely ity valan-javaboary any amin'ny faritra atsimon'i Kenya ity nandritra ny telo taona no nahatonga izany.

Japana: Herinandro Fampiofanana Ho Fisorohana ny Loza

  21 Jolay 2017

La première semaine de septembre au Japon est la Semaine de prévention des catastrophes [en japonais]. Au cours de cette semaine, les écoles, les organisations et les employés de bureau se réunissent pour organiser la formation de prévention des catastrophes. Des tremblements de terre, des inondations, des incendies et d'autres types de catastrophes sont simulés et chaque citoyen doit y participer. Herinandro natao ho an'ny Fisorohana ny Loza [amin'ny teny japoney] ny herinandro voalohany amin'ny Septambra ao Japana . Nandritra io herinandro io, nivory ny sekoly, ny fikambanana sy ny mpiasa birao mba hikarakara ny fananganana ny fisorohana ny loza. Ho lalaovina ny horohoron-tany, ny tondra-drano, ny afo sy ireo loza hafa, ary tokony handray anjara ny olom-pirenena rehetra .