· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Desambra, 2018

Chernobyl: Taratasy Tsy Nosoratana Mihitsy

  31 Desambra 2018

Manoratra mikasika ny zavatra niainany tamin'ny naha miaramila noterena hanompo tany Chernobyl 20 taona lasa izay (Rosiàna) ny mpampiasa LJ wall4 - avy any Lviv, Okraina, izay ankehitriny monina ao Connecticut. Arahina sary marobe miloko fotsy sy mainty an'ny tafika ilay tantara.

Libya: Eid Al – Adha 2008

Noho ny tsy fihetsehana mihitsy teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Libyana volana vitsy lasa izay (ary mitohy hatrany) sy antsoin'ny mpamaky iray ao amin'ny bilaogin'ny Highlander hoe Aretin'ny Fanjavonana Libyana). Tsy nieritreritra aho fa hisy bilaogy marobe amin'ity Eid ity.

Ejipta: Dov'è L'Amore (Aiza ny Fitia)

Andron'ny Mpifankatia ny Alakamisy lasa teo, ary azo antoka fa tsy hamela io fotoana io handalo fotsiny ka tsy hanoratra momba azy ireo bilaogera Ejipsiana, na hanolotra fomba fahandro Mofomamy misy Sokolà (Tarte au Chocolat) hafa kely mihitsy aza ho an'ity andro ity ka hiantso izany hoe "Ilay sakafon'ny Fitiavana".

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

Arabia Saodita: Avy indray ny orana ao Jeddah

 Niharan'ny orambe indray ny tanàna seranan-tsambo Ranomasina Mena ao Jeddah, Arabia Saodita, mamerina indray ny tenifototra #Jeddahrain malaza ao amin'ny Twitter. Ireto manaraka ireto ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto, izay naneho ny fahatezerany tamin'ny kolikoly sy ny fahasimban'ny fotodrafitrasan'i Jeddah.

Maraoka: Mafana mafana

Mbola tena mafana be ao Maraoka, mahatonga ny hafanana ho lohahevitra malaza eo amin'ny blogoma (bilaogy Maraoka) miteny Anglisy. Miaraka amin'ny maripàna matetika mahatratra 40 degre Celsius sy tsy fahampian'ny rivotra mangatsiatsiaka, toa tahaka ny hoe mijaly ireo bilaogera.