· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Janoary, 2012

Madagasikara, Etiopia: Varoboba tany lonaka

  12 Janoary 2012

Ny fikambanana “TANY” izay miady hoan'ny fiarovana ny tany any Madagasikara no nanapariaka lisitra mitanisa ireo tany any Madagasikara efa ataon'ny vahiny ampihy mamba [fr]. Mampahanfatatra ny rehetra ry zareo...

Taiwan: Tsy Mijery Ny Fahorian'Ireo Tantsaha Ny Fandinihana Ny Làlana Momba Ny Fakàna Ny Tany

  10 Janoary 2012

Koa satria efa mihamanakaiky ny fifidianana ny ho filoham-pirenena, ireo mpanao politika mpikambana ao amin'ny Yuan mpanatanteraka dia nanapa-kevitra ny hamerina handinika ilay lalàna. Na izany aza, raha tokony ho ny fahorian'ireo tantsaha no vahàna, tamin'ny 13 Desambra 2011, ireo mpanao lalàna avy ao amin'ny Yuan mpanao lalàna dia nandàny fanitsiana iray tamin'ilay lalàna izay nampidirany ny maha-lohalaharana ny fampandrosoana manoloana ny fanajàna ny zon'olombelona.

Shily : Firehetan'ny Valanjavaboarim-pirenena Ao Torres del Paine Niteraka Fahatafintohinana

  04 Janoary 2012

Firehetana iray mahatsiravina no niteraka fahatohinana teo amin'ireo Shiliana mpiondana aterineto izay naneho ny ahiahy, ny hatezerana, ny alahelo ary ny fanantenan-dry zareo ny mba hifehezana haingana izany firehetana izany tany anatin'ireo tambajotra sosialy. Ny lohahevitra nironana betsaka, "Torres del Paine" sy ny tenifototra #salvemostorresdelpaine (ndeha hamonjy an'i Torres del Paine), dia nampiasaina mba ho fampahafantarana sy handefasana ireo fanehoan-kevitra mikasika ilay firehetana.