Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Mey, 2011
Ségou Village Connection: Aterineto Finday Mampifandray Olona
Tsotra ny tanjon'ny tetikasa Ségou Village Connection ao Mali, iray amin'ireo tetikasa nahazo ny famatsiam-bola avy amin'ny Rising Voices: mampifandray ny mponina ambanivohitra sy ny mponina an-tanan-dehibe ao Mali amin'ny alalan'ny finday sy ny Aterineto. Boukary Konaté, bilaogera maliana, mpanentana mavitrika amin'io tetikasa io no manazava ny maha-iankinan'ny ain-dehibe io fifandraisana io :...
Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo
Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika...
Brezila: Tandindonin-doza ny hoavin'ny ala
Tao anaty herinandro vitsivitsy farany teo, nahoraka ny kongresim-pirenena breziliana niaraka tamin'ny fanerena hifidianana ny lalàna vaovao mifehy ny rano sy ny ala. Ilay tetik'asa natolotra, izay nifantoka tamin'ny fanovana ny lalàna efa nisy teo aloha, dia neken'ny fivondronan'ny solombavam-bahoaka atao hoe "Ruralist front" na ny mandan-tehezan'ny tantsaha. Ireo mpandala...
Slovakia: Mpanjifa Kilasy Faharoa
Na dia mety hiandrandra vokatra avy amin'ny karazana iray hitovy kalitao manerantany aza ny mpanjifa, misy foana ny fahasamihafàna isam-paritra eo amin'ny kalitao sy ny vidiny, miankina amin'ny hoe novokarina ho an'ny mpanjifa ao Eraopa Andrefana na ho an'ireo any Eraopa Afovoany sy Atsinanana. Tibor Blazko mitatitra ireo fanehoankevitra avy...
Tratry Ny Tazo Bieber i Brunei
Hanao fampisehoana goavana any amin'ny firenena maro ao atsimon'i Azia i Justin Bieber saingy toa adinony kosa i Brunei. Ary izany dia nanosika ireo mpankafy an'i Bieber ao Brunei hampiasa ny aterineto amin'ny alalan'ny twitter, bilaogy, sy youtube mba handresena lahatra ity mpihira ity hitsidika an'i Brunei.
Iran: Misambotra Alika (indray)
Niverina eny an-dalambe ny mpitandro ny filaminana Iraniana mba hanohy indray ny fihetsika manala-baraka tamin'ny taona 2007: Fisamborana alika. Naharitra fotoana fohy ihany ny fisamborana alika farany teo, ary noafahana haingana avy eo ireo alika ireo. Ankehitriny, araka ny voalazan'ny gazety Iraniana, alika maromaro no nalaina ankeriny ary nafindra ”...
Fifaninanana Erantany Fitorahana Bilaogy Momba Ny Olan'ny Rano
Ny European Journalism Centre (Ivontoerana Eraopeana ho an'ny Fanaovan-gazety) dia mampanao fifaninana mitoraka bilaogy ato anatin'ny 3 volana miompana amin'ny olan'ny rano, nomena ny anarana hoe TH!NK5. Mpitoraka bilaogy avy amin'ny firenena 40 samihafa no nirotsaka hifaninana, samy te-hahazo ny loka amin'ny famaranana: fandehana any Lisbon, Portugal. Indreto ny sasany...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...